1 |
Izay olona anarina matetika ka mihamafy hatoka Dia ho torotoro tampoka, ka tsy hisy fahasitranana. |
2 |
Raha mihamaro ny marina, dia faly ny vahoaka; Fa raha ny ratsy fanahy no manapaka, dia misento kosa izy. |
3 |
Izay tia fahendrena no mahafaly ny rainy; Fa izay misakaiza amin'ny vehivavy janga dia mandany harena. |
4 |
Ny rariny no ampandrian'ny mpanjaka ny tany; Fa izay mandray tambitamby no mandrava azy kosa.[Na: mampandoa harena] |
5 |
Izay olona mandrobo ny namany Dia mamela-pandrika ny tongony. |
6 |
Misy fandrika amin'ny heloky ny olon-dratsy; Fa ny marina mihoby sy mifaly. |
7 |
Ny marina mihevitra ny adin'ny malahelo; Fa ny ratsy fanahy tsy hahalala fahendrena. |
8 |
Ny mpaniratsira mampihotakotaka ny tanàna; Fa ny hendry mampionona fahatezerana.[Heb. mampirehitra] |
9 |
Raha iadian'ny hendry ny adala, Dia tezitra sy mihomehy izy, ka tsy hisy fitsaharana.[Na: Raha hendry miady amin'adala, na tezitra izy, na mihomehy, dia tsy misy fitsaharana] |
10 |
Ny olona mpandatsa-drà mankahala ny tsy misy tsiny; Fa ny mahitsy kosa miahy ny ainy.[Na: Ary mitady ny ain'ny mahitsy] |
11 |
Ny fahatezeran'ny adala dia avoakany avokoa; Fa ny hendry kosa manindry fo. |
12 |
Raha mihaino lainga ny mpanapaka, Dia ho ratsy fanahy ny mpanompony rehetra. |
13 |
Mihaona ny malahelo sy ny mpampahory; Jehovah no manazava ny mason'izy roa tonta.[Na: mpampanana vola] |
14 |
Izay mpanjaka mitsara marina ny malahelo, Dia haharitra mandrakizay ny seza fiandrianany. |
15 |
Ny tsorakazo sy ny anatra no manome fahendrena; Fa ny zaza aranana mampahamenatra ny reniny. |
16 |
Raha maro ny ratsy fanahy, dia mitombo ny ota; Fa ny marina ho faly mahita ny fahalavoany. |
17 |
Faizo ny zanakao, dia ho famelombelomana ny fonao izy Sy ho fifalian'ny fanahinao. |
18 |
Raha tsy misy fahitana, dia atondraka hanaram-po amin'izay tsy mety ny olona; Fa raha mitandrina ny lalàna kosa izy, dia sambatra. |
19 |
Raha teny fotsiny ihany, dia tsy ampy hananarana ny mpanompo; Fa na dia fantany aza, tsy hankatoaviny.[Heb. tsy misy valiny] |
20 |
Hitanao va ny olona faingam-bava? Ny adala aza misy hantenaina kokoa noho izy. |
21 |
Ny mpanompo izay nampihantaina hatry ny fony mbola kely Dia hihambo ho zanaka any am-parany. |
22 |
Ny olona mora tezitra manetsika ady; Ary ny olona masiaka dia be fahadisoana. |
23 |
Ny fiavonavonan'ny olona no hampietry azy; Fa hahazo voninahitra kosa ny manetry tena. |
24 |
Izay miray tetika amin'ny mpangalatra dia manary tena; Mandre ny fampianianana izy, nefa tsy mety milaza. |
25 |
Mamandrika ny tahotra olona; Fa izay matoky an'i Jehovah no hovonjena.[Heb. hatao amin'ny avo] |
26 |
Maro no mila sitraka amin'ny mpanapaka; Fa avy amin'i Jehovah ny fitsarana ny olona.[Heb. mitady ny tavan']Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa. |
27 |
Ny meloka dia fahavetavetana eo imason'ny marina; Ary ny mahitsy lalana dia mba fahavetavetana eo imason'ny ratsy fanahy kosa.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Ohabolana 29:1 |
Ohabolana 29:2 |
Ohabolana 29:3 |
Ohabolana 29:4 |
Ohabolana 29:5 |
Ohabolana 29:6 |
Ohabolana 29:7 |
Ohabolana 29:8 |
Ohabolana 29:9 |
Ohabolana 29:10 |
Ohabolana 29:11 |
Ohabolana 29:12 |
Ohabolana 29:13 |
Ohabolana 29:14 |
Ohabolana 29:15 |
Ohabolana 29:16 |
Ohabolana 29:17 |
Ohabolana 29:18 |
Ohabolana 29:19 |
Ohabolana 29:20 |
Ohabolana 29:21 |
Ohabolana 29:22 |
Ohabolana 29:23 |
Ohabolana 29:24 |
Ohabolana 29:25 |
Ohabolana 29:26 |
Ohabolana 29:27 |
|
|
|
|
|
|
Ohabolana 1 / Oha 1 |
Ohabolana 2 / Oha 2 |
Ohabolana 3 / Oha 3 |
Ohabolana 4 / Oha 4 |
Ohabolana 5 / Oha 5 |
Ohabolana 6 / Oha 6 |
Ohabolana 7 / Oha 7 |
Ohabolana 8 / Oha 8 |
Ohabolana 9 / Oha 9 |
Ohabolana 10 / Oha 10 |
Ohabolana 11 / Oha 11 |
Ohabolana 12 / Oha 12 |
Ohabolana 13 / Oha 13 |
Ohabolana 14 / Oha 14 |
Ohabolana 15 / Oha 15 |
Ohabolana 16 / Oha 16 |
Ohabolana 17 / Oha 17 |
Ohabolana 18 / Oha 18 |
Ohabolana 19 / Oha 19 |
Ohabolana 20 / Oha 20 |
Ohabolana 21 / Oha 21 |
Ohabolana 22 / Oha 22 |
Ohabolana 23 / Oha 23 |
Ohabolana 24 / Oha 24 |
Ohabolana 25 / Oha 25 |
Ohabolana 26 / Oha 26 |
Ohabolana 27 / Oha 27 |
Ohabolana 28 / Oha 28 |
Ohabolana 29 / Oha 29 |
Ohabolana 30 / Oha 30 |
Ohabolana 31 / Oha 31 |