1 |
[Ny amin'ny fanokanana ny mpisorona] Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr'ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema, |
2 |
ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy. |
3 |
Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin'ny harona; ary ny vantotr'ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa. |
4 |
Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin'ny rano izy |
5 |
Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an'i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin'ny fehin-kibo mamba ny efoda izy; |
6 |
ary ny hamama dia ataovy eo amin'ny lohany, ary ny diadema masina dia ataovy eo amin'ny hamama. |
7 |
Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin'ny lohany, dia manosora azy. |
8 |
Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava. |
9 |
Ary fehezo amin'ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an'i Arona sy ny zanany. |
10 |
Ary asaovy entina ho eo anoloan'ny trano-lay fihaonana ny vantotr'ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy; |
11 |
dia vonoy eo anatrehan'i Jehovah ny vantotr'ombilahy, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana; |
12 |
ary analao ny ran'ny vantotr'ombilahy, dia atenteno eo amin'ny tandroky ny alitara amin'ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin'ny alitara; |
13 |
ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin'ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara; |
14 |
fa ny henan'ny vantotr'ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin'ny afo eny ivelan'ny toby; fanatitra noho ny ota izany. |
15 |
Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy; |
16 |
dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara; |
17 |
ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin'ny voarasa sy ny lohany; |
18 |
ary dory ho fofona eo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an'i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. |
19 |
Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin'ny lohan'ny ondrilahy; |
20 |
dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'i Arona sy amin'ny tendron'ny ravin-tsofina ankavanan'ny zanany, ary amin'ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin'ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin'ny lafin'ny alitara |
21 |
Ary analao ny rà, izay eo ambonin'ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin'i Arona sy amin'ny fitafiany, ary amin'ny zanany sy amin'ny fitafian'ny zanany koa; dia ho masina izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa. |
22 |
Ary alao ny saboran'ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin'ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy; |
23 |
ary manala iray amin'ny mofo sy iray amin'ny mofo voaisy diloilo ary iray amin'ny mofo manify izay eo amin'ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan'i Jehovah; |
24 |
ary ataovy eo an-tànan'i Arona sy eo an-tànan'ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah. |
25 |
Dia raiso amin'ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin'ny alitara, miaraka amin'ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan'i Jehovah, dia fanatitra atao amin'ny afo, ho an'i Jehovah. |
26 |
Ary alao ny tratran'ny ondrilahy fanokanana an'i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; dia ho anjaranao izany. |
27 |
Ary hamasino ny tratran'ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin'ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an'i Arona sy izay ho an'ny zanany. |
28 |
Ary ho anjara mandrakizay ho an'i Arona sy ho an'ny taranany avy amin'ny Zanak'Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin'ny Zanak'Isiraely avy amin'ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an'i Jehovah. |
29 |
Ary ny fitafiana masina izay an'i Arona dia ho an'ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy. |
30 |
Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin'ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin'ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin'ny fitoerana masina. |
31 |
Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin'izay fitoerana masina ny henany |
32 |
Ary hohanin'i Arona sy ny zanany eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny henan'ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin'ny harona. |
33 |
Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masina izany. |
34 |
Ary raha misy sisa tsy lany amin'ny henan'ny fanatitra fanokanana, na amin'ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin'ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masina. |
35 |
Dia manaova izany amin'i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy. |
36 |
Ary vantotr'ombilahy iray no haterinao isan'andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy. |
37 |
Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an'ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masina indrindra ny alitara, ary ho masina izay rehetra manendry azy. |
38 |
[Ny fanatitra isa-maraina sy isan-kariva] Ary izao no haterinao eo ambonin'ny alitara: zanak'ondry roa izay iray taona isan'andro isan'andro |
39 |
(ny zanak'ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva), |
40 |
ary koba tsara toto ampahafolon'ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin'ny isan-janak'ondry iray. |
41 |
Ary ny zanak'ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin'ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah. |
42 |
Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin'ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana eo anatrehan'i Jehovah, dia ao amin'izay hihaonako aminareo hiteny aminao |
43 |
Ary hihaona amin'ny Zanak'Isiraely ao Aho, ka hohamasinin'ny voninahitro izy. |
44 |
Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy. |
45 |
Ary honina eo amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny. |
46 |
Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 29:1 |
Eksodosy 29:2 |
Eksodosy 29:3 |
Eksodosy 29:4 |
Eksodosy 29:5 |
Eksodosy 29:6 |
Eksodosy 29:7 |
Eksodosy 29:8 |
Eksodosy 29:9 |
Eksodosy 29:10 |
Eksodosy 29:11 |
Eksodosy 29:12 |
Eksodosy 29:13 |
Eksodosy 29:14 |
Eksodosy 29:15 |
Eksodosy 29:16 |
Eksodosy 29:17 |
Eksodosy 29:18 |
Eksodosy 29:19 |
Eksodosy 29:20 |
Eksodosy 29:21 |
Eksodosy 29:22 |
Eksodosy 29:23 |
Eksodosy 29:24 |
Eksodosy 29:25 |
Eksodosy 29:26 |
Eksodosy 29:27 |
Eksodosy 29:28 |
Eksodosy 29:29 |
Eksodosy 29:30 |
Eksodosy 29:31 |
Eksodosy 29:32 |
Eksodosy 29:33 |
Eksodosy 29:34 |
Eksodosy 29:35 |
Eksodosy 29:36 |
Eksodosy 29:37 |
Eksodosy 29:38 |
Eksodosy 29:39 |
Eksodosy 29:40 |
Eksodosy 29:41 |
Eksodosy 29:42 |
Eksodosy 29:43 |
Eksodosy 29:44 |
Eksodosy 29:45 |
Eksodosy 29:46 |
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 1 / Eks 1 |
Eksodosy 2 / Eks 2 |
Eksodosy 3 / Eks 3 |
Eksodosy 4 / Eks 4 |
Eksodosy 5 / Eks 5 |
Eksodosy 6 / Eks 6 |
Eksodosy 7 / Eks 7 |
Eksodosy 8 / Eks 8 |
Eksodosy 9 / Eks 9 |
Eksodosy 10 / Eks 10 |
Eksodosy 11 / Eks 11 |
Eksodosy 12 / Eks 12 |
Eksodosy 13 / Eks 13 |
Eksodosy 14 / Eks 14 |
Eksodosy 15 / Eks 15 |
Eksodosy 16 / Eks 16 |
Eksodosy 17 / Eks 17 |
Eksodosy 18 / Eks 18 |
Eksodosy 19 / Eks 19 |
Eksodosy 20 / Eks 20 |
Eksodosy 21 / Eks 21 |
Eksodosy 22 / Eks 22 |
Eksodosy 23 / Eks 23 |
Eksodosy 24 / Eks 24 |
Eksodosy 25 / Eks 25 |
Eksodosy 26 / Eks 26 |
Eksodosy 27 / Eks 27 |
Eksodosy 28 / Eks 28 |
Eksodosy 29 / Eks 29 |
Eksodosy 30 / Eks 30 |
Eksodosy 31 / Eks 31 |
Eksodosy 32 / Eks 32 |
Eksodosy 33 / Eks 33 |
Eksodosy 34 / Eks 34 |
Eksodosy 35 / Eks 35 |
Eksodosy 36 / Eks 36 |
Eksodosy 37 / Eks 37 |
Eksodosy 38 / Eks 38 |
Eksodosy 39 / Eks 39 |
Eksodosy 40 / Eks 40 |