1 |
[Ny nanomezan'Andriamanitra ny Didy Folo] Dia nilaza izao teny rehetra izao Andriamanitra ka nanao hoe: |
2 |
Izaho no Jehovah Andriamanitrao, Izay nitondra anao nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tamin'ny trano nahandevozana. |
3 |
Aza manana andriamani-kafa, fa Izaho ihany. |
4 |
Aza manao sarin-javatra voasokitra ho anao, na ny mety ho endriky ny zavatra izay eny amin'ny lanitra ambony, na izay etỳ amin'ny tany ambany, na izay any amin'ny rano ambanin'ny tany. |
5 |
Aza miankohoka eo anatrehany, ary aza manompo azy; fa Izaho, Jehovah Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro ka mamaly ny heloky ny ray amin'ny zanaka hatramin'ny zafiafy sy ny zafindohalika, dia amin'izay mankahala Ahy; |
6 |
nefa kosa mamindra fo amin'ny olona arivo mandimby izay tia Ahy ka mitandrina ny didiko. |
7 |
Aza manonona foana ny anaran'i Jehovah Andriamanitrao; fa tsy hataon'i Jehovah ho tsy manan-tsiny izay manonona foana ny anarany. |
8 |
Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. |
9 |
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. |
10 |
Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory ianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo am-bavahadinao. |
11 |
Fa henemana no nanaovan'i Jehovah ny lanitra sy ny tany sy ny ranomasina mbamin'izay rehetra ao aminy, dia nitsahatra Izy tamin'ny andro fahafito; izany no nitahian'i Jehovah ny andro Sabata sy nanamasinany azy. |
12 |
Manaja ny rainao sy ny reninao mba ho maro andro ianao ao amin'ny tany izay omen'i Jehovah Andriamanitrao ho anao. |
13 |
Aza mamono olona. |
14 |
Aza mijangajanga. |
15 |
Aza mangalatra. |
16 |
Aza mety ho vavolombelona mandainga hanameloka ny namanao. |
17 |
Aza mitsiriritra ny tranon'ny namanao; aza mitsiriritra ny vadin'ny namanao, na ny ankizilahiny, na ny ankizivaviny, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho an'ny namanao akory aza. |
18 |
Ary ny olona rehetra nandre ny kotrokorana sy ny feon'ny anjomara ary nahita ny helatra sy ny tendrombohitra nivoa-tsetroka, ary nony nahita izany ny olona, dia toran-kovitra izy ka nijanona teny lavitra eny. |
19 |
Dia hoy izy tamin'i Mosesy: Aoka ihany ianao no hiteny aminay, dia hihaino izahay; fa aza Andriamanitra no miteny aminay, fandrao maty izahay. |
20 |
Dia hoy Mosesy tamin'ny olona: Aza matahotra; fa tonga Andriamanitra mba hizaha toetra anareo, ary mba ho eo anatrehan'ny tavanareo ny fahatahorana Azy, mba tsy hanotanareo. |
21 |
Dia nijanona teny lavitra eny ny olona, fa Mosesy kosa nanakaiky ny aizim-pito, izay nitoeran'Andriamanitra. |
22 |
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Izao no lazaonao amin'ny Zanak'Isiraely: Hianareo efa nahita fa tany an-danitra no nitenenako taminareo. |
23 |
Koa aza manao andriamanitra volafotsy na andriamanitra volamena ho anareo ho fanampiko. |
24 |
Alitara tany no hataonao ho Ahy, ka haterinao eo amboniny ny fanatitra doranao sy ny fanati-pihavananao, dia ny ondry aman'osinao sy ny ombinao; eo amin'ny fitoerana rehetra izay ampahatsiarovako ny anarako no hanatonako anao sy hitahiako anao. |
25 |
Ary raha alitara vato no hataonao ho Ahy, dia aza ny vato voapaika no hanaovanao azy; fa raha manainga ny fandrakao ho aminy ianao, dia handoto azy.Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao. |
26 |
Ary aza asiana ambaratonga hiakaranao ho eo amin'ny alitarako, mba tsy ho hita eo ny fitanjahanao.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 20:1 |
Eksodosy 20:2 |
Eksodosy 20:3 |
Eksodosy 20:4 |
Eksodosy 20:5 |
Eksodosy 20:6 |
Eksodosy 20:7 |
Eksodosy 20:8 |
Eksodosy 20:9 |
Eksodosy 20:10 |
Eksodosy 20:11 |
Eksodosy 20:12 |
Eksodosy 20:13 |
Eksodosy 20:14 |
Eksodosy 20:15 |
Eksodosy 20:16 |
Eksodosy 20:17 |
Eksodosy 20:18 |
Eksodosy 20:19 |
Eksodosy 20:20 |
Eksodosy 20:21 |
Eksodosy 20:22 |
Eksodosy 20:23 |
Eksodosy 20:24 |
Eksodosy 20:25 |
Eksodosy 20:26 |
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 1 / Eks 1 |
Eksodosy 2 / Eks 2 |
Eksodosy 3 / Eks 3 |
Eksodosy 4 / Eks 4 |
Eksodosy 5 / Eks 5 |
Eksodosy 6 / Eks 6 |
Eksodosy 7 / Eks 7 |
Eksodosy 8 / Eks 8 |
Eksodosy 9 / Eks 9 |
Eksodosy 10 / Eks 10 |
Eksodosy 11 / Eks 11 |
Eksodosy 12 / Eks 12 |
Eksodosy 13 / Eks 13 |
Eksodosy 14 / Eks 14 |
Eksodosy 15 / Eks 15 |
Eksodosy 16 / Eks 16 |
Eksodosy 17 / Eks 17 |
Eksodosy 18 / Eks 18 |
Eksodosy 19 / Eks 19 |
Eksodosy 20 / Eks 20 |
Eksodosy 21 / Eks 21 |
Eksodosy 22 / Eks 22 |
Eksodosy 23 / Eks 23 |
Eksodosy 24 / Eks 24 |
Eksodosy 25 / Eks 25 |
Eksodosy 26 / Eks 26 |
Eksodosy 27 / Eks 27 |
Eksodosy 28 / Eks 28 |
Eksodosy 29 / Eks 29 |
Eksodosy 30 / Eks 30 |
Eksodosy 31 / Eks 31 |
Eksodosy 32 / Eks 32 |
Eksodosy 33 / Eks 33 |
Eksodosy 34 / Eks 34 |
Eksodosy 35 / Eks 35 |
Eksodosy 36 / Eks 36 |
Eksodosy 37 / Eks 37 |
Eksodosy 38 / Eks 38 |
Eksodosy 39 / Eks 39 |
Eksodosy 40 / Eks 40 |