1 |
[Ny namangian'i Jetro an'i Mosesy, sy ny hevitra natorony azy] Ary efa ren'i Jetro, mpisorona tao Midiana, rafozan'i Mosesy, izay rehetra nataon'Andriamanitra ho an'i Mosesy sy ny Isiraely olony, dia ny nitondran'i Jehovah ny Isiraely nivoaka avy tany Egypta. |
2 |
Dia nentin'i Jetro, rafozan'i Mosesy, Zipora, vadin'i Mosesy, rehefa nampivereniny izy, |
3 |
ary ny zanany mirahalahy: Gersoma no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Efa vahiny atỳ amin'ny tanin'ny firenena hafa aho; |
4 |
ary Eliezera kosa no anaran'ny anankiray, fa hoy izy: Andriamanitry ny razako no namonjy ahy ka nahafaka ahy tsy ho voan'ny sabatr'i Farao. |
5 |
Dia tonga Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra ny vady aman-janak'i Mosesy hankany aminy tany an-efitra, izay nitobiany teo anilan'ny tendrombohitr'Andriamanitra: |
6 |
dia nampilaza tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Izaho Jetro rafozanao avy hamangy anao, ary ny vadinao mbamin'ny zanany roa lahy koa. |
7 |
Ary Mosesy nivoaka hitsena ny rafozany, dia niankohoka sady nanoroka azy; ary nifampiarahaba izy mianaka, dia niditra tao an-day. |
8 |
Ary nambaran'i Mosesy tamin'ny rafozany izay rehetra efa nataon'i Jehovah tamin'i Farao sy tamin'ny Egyptiana noho ny amin'ny Isiraely, mbamin'ny fahoriana rehetra nanjo azy teny an-dalana, sy ny namonjen'i Jehovah azy. |
9 |
Dia faly Jetro noho ny soa rehetra izay efa nataon'i Jehovah tamin'ny Isiraely, izay novonjeny ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana. |
10 |
Ary hoy Jetro: Isaorana anie Jehovah, Izay namonjy anareo ho afaka tamin'ny tanan'ny Egyptiana sy tamin'ny tànan'i Farao, dia Izay namonjy ny olona tsy hotapahin'ny Egyptiana. |
11 |
Ankehitriny dia fantatro fa lehibe Jehovah mihoatra noho ny andriamanitra rehetra, dia tamin'izay zavatra nentin'ny Egyptiana nirehareha tamin'ireny. |
12 |
Ary Jetro, rafozan'i Mosesy, nitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ho an'Andriamanitra; dia nankao Arona sy ny loholon'ny Isiraely rehetra hiara-mihinan-kanina amin'ny rafozan'i Mosesy teo anatrehan'Andriamanitra. |
13 |
Ary nony maraina dia nipetraka hitsara ny olona Mosesy; ka dia nijanona teo anatrehan'i Mosesy ny olona hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva. |
14 |
Ary rehefa hitan'ny rafozan'i Mosesy izay rehetra nataony tamin'ny olona, dia hoy izy: Inona izao zavatra ataonao amin'ny olona izao? Nahoana no ianao irery ihany no mipetraka, fa ny olona rehetra kosa mitsangana eo anatrehanao hatramin'ny maraina ka hatramin'ny hariva? |
15 |
Ary hoy Mosesy tamin'ny rafozany: Satria mankaty amiko ny olona hanontany amin'Andriamanitra. |
16 |
Raha misy manana ady izy, dia mankaty amiko, ka mitsara azy roa tonta aho, dia mampahalala azy ny didin'Andriamanitra sy ny lalàny. |
17 |
Ary hoy ny rafozan'i Mosesy taminy; Tsy tsara izao zavatra ataonao izao. |
18 |
Samy ho reraka mihitsy, na ianao na izao olona miaraka aminao izao; fa mavesatra aminao loatra izao zavatra izao, ka tsy ho zakanao irery ny hanao izao. |
19 |
Ary ankehitriny, dia maneke ny teniko, fa hanoro hevitra anao aho, ka Andriamanitra anie homba anao: Aoka ianao ho alalan'ny olona amin'Andriamanitra mba hitondranao ny teniny amin'Andriamanitra; |
20 |
ary hampianatra azy ny didy sy ny lalàna izay mety halehany sy ny asa izay mety hataony. |
21 |
Ary mizaha eo amin'ny olona rehetra izay lehilahy mahay sy matahotra an'Andriamanitra, dia lehilahy marina izay tsy tia kolikoly; ka manendre mpifehy arivo sy mpifehy zato sy mpifehy dimam-polo ary mpifehy folo hifehy azy. |
22 |
Ary aoka ireo no hitsara ny olona mandrakariva, ka ny ady lehibe rehetra no aoka ho entiny aminao, fa ny ady madinidinika rehetra kosa dia aoka hotsarainy ihany; dia ho maivamaivana kokoa aminao izany, ka dia hiara-mitondra aminao ireo. |
23 |
Raha hanao araka izany zavatra izany ianao, ka hilaza izay didy aminao Andriamanitra, dia haharitra ianao, ary izao olona rehetra izao koa dia ho tonga soa aman-tsara any amin'ny taniny. |
24 |
Dia neken'i Mosesy ny tenin'ny rafozany, ka nataony avokoa izay rehetra efa nolazainy. |
25 |
Dia nofidin'i Mosesy izay lehilahy mahay tamin'ny Isiraely rehetra ka nataony lohan'ny olona hanapaka azy, dia ho mpifehy arivo sy ho mpifehy zato sy ho mpifehy dimam-polo ary ho mpifehy folo. |
26 |
Dia nitsara ny olona mandrakariva ireo; koa ny ady sarotra ihany no nentiny tao amin'i Mosesy, fa ny ady madinika rehetra kosa dia notsarainy ihany.Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy. |
27 |
Ary Mosesy namoaka ny rafozany; ka dia lasa nody any amin'ny taniny izy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 18:1 |
Eksodosy 18:2 |
Eksodosy 18:3 |
Eksodosy 18:4 |
Eksodosy 18:5 |
Eksodosy 18:6 |
Eksodosy 18:7 |
Eksodosy 18:8 |
Eksodosy 18:9 |
Eksodosy 18:10 |
Eksodosy 18:11 |
Eksodosy 18:12 |
Eksodosy 18:13 |
Eksodosy 18:14 |
Eksodosy 18:15 |
Eksodosy 18:16 |
Eksodosy 18:17 |
Eksodosy 18:18 |
Eksodosy 18:19 |
Eksodosy 18:20 |
Eksodosy 18:21 |
Eksodosy 18:22 |
Eksodosy 18:23 |
Eksodosy 18:24 |
Eksodosy 18:25 |
Eksodosy 18:26 |
Eksodosy 18:27 |
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 1 / Eks 1 |
Eksodosy 2 / Eks 2 |
Eksodosy 3 / Eks 3 |
Eksodosy 4 / Eks 4 |
Eksodosy 5 / Eks 5 |
Eksodosy 6 / Eks 6 |
Eksodosy 7 / Eks 7 |
Eksodosy 8 / Eks 8 |
Eksodosy 9 / Eks 9 |
Eksodosy 10 / Eks 10 |
Eksodosy 11 / Eks 11 |
Eksodosy 12 / Eks 12 |
Eksodosy 13 / Eks 13 |
Eksodosy 14 / Eks 14 |
Eksodosy 15 / Eks 15 |
Eksodosy 16 / Eks 16 |
Eksodosy 17 / Eks 17 |
Eksodosy 18 / Eks 18 |
Eksodosy 19 / Eks 19 |
Eksodosy 20 / Eks 20 |
Eksodosy 21 / Eks 21 |
Eksodosy 22 / Eks 22 |
Eksodosy 23 / Eks 23 |
Eksodosy 24 / Eks 24 |
Eksodosy 25 / Eks 25 |
Eksodosy 26 / Eks 26 |
Eksodosy 27 / Eks 27 |
Eksodosy 28 / Eks 28 |
Eksodosy 29 / Eks 29 |
Eksodosy 30 / Eks 30 |
Eksodosy 31 / Eks 31 |
Eksodosy 32 / Eks 32 |
Eksodosy 33 / Eks 33 |
Eksodosy 34 / Eks 34 |
Eksodosy 35 / Eks 35 |
Eksodosy 36 / Eks 36 |
Eksodosy 37 / Eks 37 |
Eksodosy 38 / Eks 38 |
Eksodosy 39 / Eks 39 |
Eksodosy 40 / Eks 40 |