1 |
[Ny nimonomononan'ny Zanak'Isiraely noho ny tsi-fisian-drano, sy ny nanomezan'Andriamanitra azy rano avy tamin'ny vatolampy] Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak'Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron'i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin'ny olona. |
2 |
Dia nila ady tamin'i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an'i Jehovah ianareo? |
3 |
Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin'i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay? |
4 |
Ary Mosesy nitaraina tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin'ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy. |
5 |
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Mandrosoa eo alohan'ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon'ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an'i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana. |
6 |
Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin'ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin'ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason'ny loholon'ny Isiraely. |
7 |
Ary ny anaran'izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon'ny Zanak'Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an'i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia? |
8 |
Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin'ny Isiraely tao Refidima. |
9 |
Dia hoy Mosesy tamin'i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin'ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon'ny havoana aho ka hitana ny tehin'Andriamanitra etỳ an-tanako. |
10 |
Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain'i Mosesy taminy, ka niady tamin'ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon'ny havoana. |
11 |
Ary raha nasandratr'i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita. |
12 |
Fa efa vizana ny tanan'i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin'i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin'ny anila, ary ny iray kosa tamin'ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin'ny masoandro. |
13 |
Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin'ny lelan-tsabatra. |
14 |
Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Soraty eo amin'ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin'i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin'ny lanitra. |
15 |
Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby. |
16 |
Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin'i Jehovah amin'ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin'izay taranany fara mandimby.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 17:1 |
Eksodosy 17:2 |
Eksodosy 17:3 |
Eksodosy 17:4 |
Eksodosy 17:5 |
Eksodosy 17:6 |
Eksodosy 17:7 |
Eksodosy 17:8 |
Eksodosy 17:9 |
Eksodosy 17:10 |
Eksodosy 17:11 |
Eksodosy 17:12 |
Eksodosy 17:13 |
Eksodosy 17:14 |
Eksodosy 17:15 |
Eksodosy 17:16 |
|
|
|
|
|
|
Eksodosy 1 / Eks 1 |
Eksodosy 2 / Eks 2 |
Eksodosy 3 / Eks 3 |
Eksodosy 4 / Eks 4 |
Eksodosy 5 / Eks 5 |
Eksodosy 6 / Eks 6 |
Eksodosy 7 / Eks 7 |
Eksodosy 8 / Eks 8 |
Eksodosy 9 / Eks 9 |
Eksodosy 10 / Eks 10 |
Eksodosy 11 / Eks 11 |
Eksodosy 12 / Eks 12 |
Eksodosy 13 / Eks 13 |
Eksodosy 14 / Eks 14 |
Eksodosy 15 / Eks 15 |
Eksodosy 16 / Eks 16 |
Eksodosy 17 / Eks 17 |
Eksodosy 18 / Eks 18 |
Eksodosy 19 / Eks 19 |
Eksodosy 20 / Eks 20 |
Eksodosy 21 / Eks 21 |
Eksodosy 22 / Eks 22 |
Eksodosy 23 / Eks 23 |
Eksodosy 24 / Eks 24 |
Eksodosy 25 / Eks 25 |
Eksodosy 26 / Eks 26 |
Eksodosy 27 / Eks 27 |
Eksodosy 28 / Eks 28 |
Eksodosy 29 / Eks 29 |
Eksodosy 30 / Eks 30 |
Eksodosy 31 / Eks 31 |
Eksodosy 32 / Eks 32 |
Eksodosy 33 / Eks 33 |
Eksodosy 34 / Eks 34 |
Eksodosy 35 / Eks 35 |
Eksodosy 36 / Eks 36 |
Eksodosy 37 / Eks 37 |
Eksodosy 38 / Eks 38 |
Eksodosy 39 / Eks 39 |
Eksodosy 40 / Eks 40 |