1 |
[Fanomezam-boninahitra an'Andriamanitra noho ny fahalehibiazany sy ny fahamarinany] Jehovah no Mpanjaka aoka hangovitra ny firenena; Mipetraka amin'ny kerobima Izy, aoka hihorohoro ny tany. |
2 |
Lehibe any Ziona Jehovah; Ary avo ambonin'ny firenena rehetra Izy. |
3 |
Aoka hidera ny anaranao lehibe sy mahatahotra ireo; Fa masina Jehovah. |
4 |
Ny herin'ny mpanjaka dia tia rariny; Ampitoerinao ny fahitsiana; Fitsarana sy fahamarinana no ataonao eo amin'i Jakoba. |
5 |
Manandrata an'i Jehovah Andriamanitsika ianareo, Ka miankohofa eo amin'ny fitoeran-tongony; Fa masina Izy. |
6 |
Mosesy sy Arona tamin'ny mpisorony, Ary Samoela tamin'izay mpiantso ny anarany, Niantso an'i Jehovah ireo, ary namaly: azy Izy. |
7 |
Niteny taminy tao anatin'ny andri-rahona Izy; Nitandrina ny teni-vavolombelony izy ireo, Dia ny didy izay efa nomeny azy. |
8 |
Jehovah Andriamanitray ô, Hianao no namaly ny nataony; Andriamanitra, Mpamela ny helony, Hianao, Na dia namaly azy noho ny nataony aza.Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika. |
9 |
Asandrato Jehovah Andriamanitsika, Ary miankohofa eo an-tendrombohiny masina; Fa masina Jehovah Andriamanitsika.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |