1 |
[Fifaliana amin'Andriamanitra noho ny asany sy ny fitsarany marina] Salamo. Tonon-kira hatao amin'ny andro Sabata. Tsara ny hidera an'i Jehovah Sy ny hankalaza ny anaranao, ry Avo Indrindra ô, |
2 |
Ary hanambara ny famindram-ponao nony maraina Sy ny fahamarinanao nony alina, |
3 |
Amin'ny valiha tory folo Sy amin'ny feon-dokanga. |
4 |
Fa ampifalinao amin'ny nataonao aho Jehovah ô; Ny asan'ny tananao no hihobiako. |
5 |
Jehovah ô, akory ny halehiben'ny asanao! Lalina indrindra ny fisainanao. |
6 |
Ny ketrina tsy mahafantatra izany, Ary ny adala koa tsy mba mahalala. |
7 |
Raha mitsiry tahaka ny ahitra ny ratsy fanahy, Ary mamony ny mpanao ratsy rehetra, Dia izany no ho fandringanana azy mandrakizay. |
8 |
Nefa Hianao, Jehovah ô, dia avo mandrakizay. |
9 |
Fa, indreo, ny fahavalonao, Jehovah ô, Fa, indreo, ringana ny fahavalonao; Mihahaka ny mpanao ratsy rehetra. |
10 |
Fa ny tandroko kosa asandratrao ho tahaka ny an'ny ombimanga; Mihosotra diloilo vaovao aho. |
11 |
Ary faly ny masoko mahita ny amin'ny fahavaloko, Ary finaritra ny sofiko mandre ny amin'ny ratsy fanahy izay efa mitsangana hamely ahy. |
12 |
Ny marina hamololona tahaka ny rofia; Hisandrahaka tahaka ny sedera any Libanona izy; [palma][Heb. Ho tonga lehibe] |
13 |
Efa nambolena tao an-tranon'i Jehovah izy Ka maniry eo an-kianjan'Andriamanitsika; |
14 |
Mbola manorobona ihany izy, na dia efa antitra aza; Dofodofotra sy maitso izy,Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny. |
15 |
Mba hanambara fa mahitsy Jehovah, Vatolampiko Izay tsy misy tsiny.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |