1 |
[Famaranana nalaina tamin'ny tantaran'ny Isiraely hatramin'i Mosesy ka hatramin'i Davida] Maskila nataon'i Asafa. Henoy ny lalàko, ry oloko; atongilano ny sofinareo amin'ny tenin'ny vavako. |
2 |
Hiloa-bava hilaza fanoharana aho; hanonona teny saro-pantarina fony taloha aho. |
3 |
Izay efa rentsika sy fantatsika,ary nambaran'ny razantsika tamintsika, |
4 |
Dia tsy mba hafenintsika amin'ny zanany; fa hambarantsika amin'ny taranaka ho avy ny fiderana an'i Jehovah sy ny heriny ary ny fahagagana izay efa nataony. |
5 |
Fa nanorina teni-vavolombelona teo amin'i Jakoba Izy, ary teo amin'Isiraely no nametrahany lalàna, izay nandidiany ny razantsika, hampahafantariny ny zanany; |
6 |
Mba hahafantatra izany ny taranaka ho avy - dia ny zaza mbola hateraka - ka hitsangana hitory izany amin'ny zanany kosa, |
7 |
Mba hametraka ny fanantenany amin'Andriamanitra, ka tsy hanadino ny asany, fa hitandrina ny didiny; |
8 |
Mba tsy ho tahaka ny razany, izay taranaka maditra sy miodina, izy, dia taranaka izay tsy nampiomana ny fony, sady tsy marina tamin'Andriamanitra ny fanahiny. |
9 |
Ny zanak'i Efraima, izay nitondra tsipìka hitifirany, dia niamboho tamin'ny andro fiadiana. |
10 |
Tsy nitandrina ny fanekena amin'Andriamanitra izy, ary tsy nety nandeha araka ny lalàny; |
11 |
Nanadino ny asany izy sy ny fahagagana izay nampahitàny azy. |
12 |
Teo anatrehan'ny razany no nanaovany fahagagana tany amin'ny tany Egypta, dia tany amin'ny tany lemak'i Zoana. |
13 |
Nampisaraka ny ranomasina Izy ka nitondra azy nita, dia nampijanona ny rano ho toy ny antontan-javatra. |
14 |
Ary ny rahona no nitondrany azy raha antoandro, sy afo mahazava nony alina. |
15 |
Namaky vatolampy tany an-efitra Izy, ka nampisotro azy nanaram-po tahaka ny amin'ny rano lalina. |
16 |
Ary nampivoaka rano mandriaka avy tamin'ny harambato Izy ka nampirotsaka rano ho tahaka ny ony. |
17 |
Kanjo mbola nandroso nanota taminy ihany izy ireo, ka nampahatezitra ny Avo Indrindra tany an-efitra. |
18 |
Dia naka fanahy an'Andriamanitra tam-pony izy, tamin'ny nilàny hanina araka ny nahaliana azy. |
19 |
Dia niteny nanohitra an'Andriamanitra izy ka nanao hoe: mahavelatra latabatra atỳ an-efitra va Andriamanitra? |
20 |
Indro, namely ny vatolampy Izy, dia nigororoana ny rano ka nandriaka; mahay manome mofo koa va Izy? Mahatonga hena ho an'ny olony va Izy? |
21 |
Koa nony ren'i Jehovah izany, dia tezitra Izy; ary nisy afo nirehitra tamin'i Jakoba, sady nisy fahatezerana namely ny Isiraely, |
22 |
Satria tsy nino an'Andriamanitra izy ireo ka tsy natoky ny famonjeny. |
23 |
Kanefa nandidy ny rahona tany ambony Izy, ary ny varavaran'ny lanitra no novohàny, |
24 |
Dia nandatsaka mana teny aminy hohaniny Izy, ary varin'ny lanitra no nomeny azy. |
25 |
Ny fihinan'ny mahery no nohanin'ny olona; nanaterany hanina hahavoky azy izy. |
26 |
Nampandeha ny rivotra avy any atsinanana teny amin'ny lanitra Izy ary ny heriny no nitondrany ny rivotra avy any atsimo. |
27 |
Dia nampilatsahany hena betsaka hoatra ny vovoka izy sy voro-manidina hoatra ny fasiky ny ranomasina, |
28 |
Ka nalatsany teny afovoan'ny tobiny, manodidina ny fitoerany. |
29 |
Dia nihinana izy ireo ka voky tsara, ary izay nilainy dia nomeny azy. |
30 |
Nefa tsy niala tamin'ny filàny izy, ary mbola teo am-bavany ihany ny haniny; |
31 |
Dia nirehitra taminy ny fahatezeran'Andriamanitra, ka nahafatesany ny tremalahy teo aminy, ary naripany ny zatovolahin'ny Isiraely. |
32 |
Fa na dia izany rehetra izany aza, dia mbola nanota ihany izy ireo ka tsy nino ny fahagagana nataony. |
33 |
Dia nampahalevona ny androny toy ny fofonaina Izy, ary ny taonany tamin'ny fampitahorana. |
34 |
Raha novonoiny izy ireo, dia nitady hahalala an'Andriamanitra izy, ary niverina nikatsaka Azy. |
35 |
Dia nahatsiaro izy fa Andriamanitra no Vatolampiny, ary Andriamanitra Avo Indrindra no Mpanavotra azy. |
36 |
Kanefa nanao vava malefaka taminy ireo, ary ny lelany no nandaingàny taminy. |
37 |
Ary ny fony tsy niorina taminy; eny tsy nitana ny fanekeny izy. |
38 |
Nefa Andriamanitra kosa be famindram-po, dia mamela heloka ka tsy mandringana; eny nahatsindry fo tokoa Izy, ka tsy nofohaziny avokoa ny fahavinirany, |
39 |
Fa nahatsiaro Izy fa nofo ihany ireo, dia rivotra izay mandalo ka tsy miverina intsony. |
40 |
Impiry akory izy ireo no efa niodina taminy tany an-efitra, ka nampalahelo Azy tany amin'ny tany foana! |
41 |
Naka fanahy an'Andriamanitra mandrakariva izy, ka nampalahelo ny Iray Masin'ny Isiraely. |
42 |
Tsy mba nahatsiaro ny tànany izy, dia ny andro izay nanavotany azy tamin'ny fahavalo, |
43 |
Izay nanaovany famantarana tany Egypta, sy fahagagana tany an-tany lemak'i Zoana: |
44 |
Nampody ny oniny ho rà Izy, ary ny reniranony tsy azony nisotroana. |
45 |
Nandefa lalitra betsaka hamely azy Izy, ka nandany azy ireny, ary sahona, ka nanimba azy ireny.[Na: fihitra, na kalalao] |
46 |
Dia nanome ny vokatry ny taniny ho an'ny sompanga Izy, ary ny sasany ho an'ny valala. |
47 |
Namono ny voalobony tamin'ny havandra Izy, ary ny aviaviny tamin'ny havandra vaventy. |
48 |
Dia nanolotra ny biby fiompiny ho an'ny havandra Izy, ary ny omby aman'ondriny ho an'ny varatra. |
49 |
Nandatsaka ny fahatezerany mirehitra taminy Izy: eny, fahavinirana sy fahatezerana ary fampahoriana, dia anjely andiany mitondra loza. |
50 |
Namboatra lalana ho an'ny fahatezerany Izy, ary tsy niaro ny fanahin'ireo tamin'ny fahafatesana, fa nanolotra ny ainy ho lanin'ny areti-mandringana; |
51 |
Ary namely ny lahimatoa rehetra tany Egypta Izy, dia ny voalohan'ainy tany an-dain'i Hama; |
52 |
Fa namindra toerana ny olony toy ny ondry Izy, ary nitondra azy tany an-efitra toy ny ondry andiany. |
53 |
Nentiny soa aman-tsara izy ireo ka tsy mba natahotra; fa ny fahavalony kosa voasaron'ny ranomasina. |
54 |
Ary nitondra azy ho any amin'ny tany misy ny fitoerany masina Izy, dia ny tendrombohitra izay azon'ny tànany ankavanana. |
55 |
Ary nandroaka ny jentilisa teo anoloany Izy, ka nanome ny tanin'ireny ho lova nozaraina tamin'ny famolaina, dia nampitoetra ny firenen'Isiraely tao an-dainy. |
56 |
Nefa naka fanahy an'Andriamanitra Avo Indrindra izy ka niodina taminy, ary ny teni-vavolombelony tsy notandremany. |
57 |
Ary nihemotra izy ka nivadika tahaka ny razany. Dia nania tahaka ny tsipìka manjiona. |
58 |
Ary nampahatezitra Azy tamin'ny fitoerana avony izy, sady nahasaro-piaro Azy tamin'ny sarin-javatra voasokitra. |
59 |
Ary nandre izany Andriamanitra, dia tezitra Izy ka nolaviny mihitsy ny Isiraely, |
60 |
Sady nahafoy ny tabernakeliny tao Silo Izy, dia ny lay izay naoriny teo amin'ny olona; |
61 |
Dia natolony ho babo ny heriny ary ny voninahiny ho eo an-tànan'ny fahavalo. |
62 |
Dia nanolotra ny olony ho an'ny sabatra Izy; ary tezitra Indrindra tamin'ny lovany Izy. |
63 |
Ny zatovolahiny dia lanin'ny afo; ary ny zatovovaviny tsy mba nanaovana hiram-panambadiana. |
64 |
Ny mpisorony lavon-tsabatra, nefa ny mpitondratenan'ireo tsy nisaona. |
65 |
Dia nifoha ny Tompo tahaka ny anankiray avy natory, tahaka ny lehilahy mahery izay miantsoantso azon'ny divay. |
66 |
Dia namely ny fahavalony hiamboho Izy ka nahafa-baraka azy mandrakizay. |
67 |
Dia nanary ny lain'i Josefa Izy, ary ny firenen'i Efraima tsy nofidiny. |
68 |
Fa nifidy ny firenen'i Joda kosa Izy, dia ny tendrombohitra Ziona izay tiany. |
69 |
Dia nanao ny fitoerany masina ho tahaka ny havoana Izy, tahaka ny tany izay naoriny ho mandrakizay. |
70 |
Dia nifidy an'i Davida mpanompony ka naka azy avy tany am-balan'ondry; |
71 |
Tany amin'ny fiandrasany ny ondry ampianahana no nakàny azy, mba hiandry an'i Jakoba olony sy Isiraely lovany;Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany. |
72 |
Dia niandry ireo araka ny hitsin'ny fony izy, ka nitondra azy araka ny fahaizan'ny tànany.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Salamo 78:1 |
Salamo 78:2 |
Salamo 78:3 |
Salamo 78:4 |
Salamo 78:5 |
Salamo 78:6 |
Salamo 78:7 |
Salamo 78:8 |
Salamo 78:9 |
Salamo 78:10 |
Salamo 78:11 |
Salamo 78:12 |
Salamo 78:13 |
Salamo 78:14 |
Salamo 78:15 |
Salamo 78:16 |
Salamo 78:17 |
Salamo 78:18 |
Salamo 78:19 |
Salamo 78:20 |
Salamo 78:21 |
Salamo 78:22 |
Salamo 78:23 |
Salamo 78:24 |
Salamo 78:25 |
Salamo 78:26 |
Salamo 78:27 |
Salamo 78:28 |
Salamo 78:29 |
Salamo 78:30 |
Salamo 78:31 |
Salamo 78:32 |
Salamo 78:33 |
Salamo 78:34 |
Salamo 78:35 |
Salamo 78:36 |
Salamo 78:37 |
Salamo 78:38 |
Salamo 78:39 |
Salamo 78:40 |
Salamo 78:41 |
Salamo 78:42 |
Salamo 78:43 |
Salamo 78:44 |
Salamo 78:45 |
Salamo 78:46 |
Salamo 78:47 |
Salamo 78:48 |
Salamo 78:49 |
Salamo 78:50 |
Salamo 78:51 |
Salamo 78:52 |
Salamo 78:53 |
Salamo 78:54 |
Salamo 78:55 |
Salamo 78:56 |
Salamo 78:57 |
Salamo 78:58 |
Salamo 78:59 |
Salamo 78:60 |
Salamo 78:61 |
Salamo 78:62 |
Salamo 78:63 |
Salamo 78:64 |
Salamo 78:65 |
Salamo 78:66 |
Salamo 78:67 |
Salamo 78:68 |
Salamo 78:69 |
Salamo 78:70 |
Salamo 78:71 |
Salamo 78:72 |
|
|
|
|
|
|
Salamo 1 / Sal 1 |
Salamo 2 / Sal 2 |
Salamo 3 / Sal 3 |
Salamo 4 / Sal 4 |
Salamo 5 / Sal 5 |
Salamo 6 / Sal 6 |
Salamo 7 / Sal 7 |
Salamo 8 / Sal 8 |
Salamo 9 / Sal 9 |
Salamo 10 / Sal 10 |
Salamo 11 / Sal 11 |
Salamo 12 / Sal 12 |
Salamo 13 / Sal 13 |
Salamo 14 / Sal 14 |
Salamo 15 / Sal 15 |
Salamo 16 / Sal 16 |
Salamo 17 / Sal 17 |
Salamo 18 / Sal 18 |
Salamo 19 / Sal 19 |
Salamo 20 / Sal 20 |
Salamo 21 / Sal 21 |
Salamo 22 / Sal 22 |
Salamo 23 / Sal 23 |
Salamo 24 / Sal 24 |
Salamo 25 / Sal 25 |
Salamo 26 / Sal 26 |
Salamo 27 / Sal 27 |
Salamo 28 / Sal 28 |
Salamo 29 / Sal 29 |
Salamo 30 / Sal 30 |
Salamo 31 / Sal 31 |
Salamo 32 / Sal 32 |
Salamo 33 / Sal 33 |
Salamo 34 / Sal 34 |
Salamo 35 / Sal 35 |
Salamo 36 / Sal 36 |
Salamo 37 / Sal 37 |
Salamo 38 / Sal 38 |
Salamo 39 / Sal 39 |
Salamo 40 / Sal 40 |
Salamo 41 / Sal 41 |
Salamo 42 / Sal 42 |
Salamo 43 / Sal 43 |
Salamo 44 / Sal 44 |
Salamo 45 / Sal 45 |
Salamo 46 / Sal 46 |
Salamo 47 / Sal 47 |
Salamo 48 / Sal 48 |
Salamo 49 / Sal 49 |
Salamo 50 / Sal 50 |
Salamo 51 / Sal 51 |
Salamo 52 / Sal 52 |
Salamo 53 / Sal 53 |
Salamo 54 / Sal 54 |
Salamo 55 / Sal 55 |
Salamo 56 / Sal 56 |
Salamo 57 / Sal 57 |
Salamo 58 / Sal 58 |
Salamo 59 / Sal 59 |
Salamo 60 / Sal 60 |
Salamo 61 / Sal 61 |
Salamo 62 / Sal 62 |
Salamo 63 / Sal 63 |
Salamo 64 / Sal 64 |
Salamo 65 / Sal 65 |
Salamo 66 / Sal 66 |
Salamo 67 / Sal 67 |
Salamo 68 / Sal 68 |
Salamo 69 / Sal 69 |
Salamo 70 / Sal 70 |
Salamo 71 / Sal 71 |
Salamo 72 / Sal 72 |
Salamo 73 / Sal 73 |
Salamo 74 / Sal 74 |
Salamo 75 / Sal 75 |
Salamo 76 / Sal 76 |
Salamo 77 / Sal 77 |
Salamo 78 / Sal 78 |
Salamo 79 / Sal 79 |
Salamo 80 / Sal 80 |
Salamo 81 / Sal 81 |
Salamo 82 / Sal 82 |
Salamo 83 / Sal 83 |
Salamo 84 / Sal 84 |
Salamo 85 / Sal 85 |
Salamo 86 / Sal 86 |
Salamo 87 / Sal 87 |
Salamo 88 / Sal 88 |
Salamo 89 / Sal 89 |
Salamo 90 / Sal 90 |
Salamo 91 / Sal 91 |
Salamo 92 / Sal 92 |
Salamo 93 / Sal 93 |
Salamo 94 / Sal 94 |
Salamo 95 / Sal 95 |
Salamo 96 / Sal 96 |
Salamo 97 / Sal 97 |
Salamo 98 / Sal 98 |
Salamo 99 / Sal 99 |
Salamo 100 / Sal 100 |
Salamo 101 / Sal 101 |
Salamo 102 / Sal 102 |
Salamo 103 / Sal 103 |
Salamo 104 / Sal 104 |
Salamo 105 / Sal 105 |
Salamo 106 / Sal 106 |
Salamo 107 / Sal 107 |
Salamo 108 / Sal 108 |
Salamo 109 / Sal 109 |
Salamo 110 / Sal 110 |
Salamo 111 / Sal 111 |
Salamo 112 / Sal 112 |
Salamo 113 / Sal 113 |
Salamo 114 / Sal 114 |
Salamo 115 / Sal 115 |
Salamo 116 / Sal 116 |
Salamo 117 / Sal 117 |
Salamo 118 / Sal 118 |
Salamo 119 / Sal 119 |
Salamo 120 / Sal 120 |
Salamo 121 / Sal 121 |
Salamo 122 / Sal 122 |
Salamo 123 / Sal 123 |
Salamo 124 / Sal 124 |
Salamo 125 / Sal 125 |
Salamo 126 / Sal 126 |
Salamo 127 / Sal 127 |
Salamo 128 / Sal 128 |
Salamo 129 / Sal 129 |
Salamo 130 / Sal 130 |
Salamo 131 / Sal 131 |
Salamo 132 / Sal 132 |
Salamo 133 / Sal 133 |
Salamo 134 / Sal 134 |
Salamo 135 / Sal 135 |
Salamo 136 / Sal 136 |
Salamo 137 / Sal 137 |
Salamo 138 / Sal 138 |
Salamo 139 / Sal 139 |
Salamo 140 / Sal 140 |
Salamo 141 / Sal 141 |
Salamo 142 / Sal 142 |
Salamo 143 / Sal 143 |
Salamo 144 / Sal 144 |
Salamo 145 / Sal 145 |
Salamo 146 / Sal 146 |
Salamo 147 / Sal 147 |
Salamo 148 / Sal 148 |
Salamo 149 / Sal 149 |
Salamo 150 / Sal 150 |