1 |
[Fanirian'ny olo-marina mba hanaiky an'Andriamanitra avokoa ny firenena rehetra] Ho an'ny mpiventy hira. Hampiarahina amin'ny valiha. Salamo. Tonon-kira. Andriamanitra anie hamindra fo aminay sy hitahy anay; hampamirapiratra ny tavany aminay anie Izy; |
2 |
Mba ho fantatra etỳ ambonin'ny tany ny lalanao sy ny famonjenao any amin'ny jentilisa rehetra. |
3 |
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. |
4 |
Hifaly sy hihoby ny firenentsamy hafa, Satria mitsara marina ny firenena Hianao; ny firenen-tsamy hafa ambonin'ny tany dia entinao; |
5 |
Hidera Anao ny firenena, Andriamanitra ô; eny, hidera Anao ny firenena rehetra. |
6 |
Ny tany efa nahavokatra; mitahy antsika Andriamanitra, dia Andriamanitsika.Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra. |
7 |
Mitahy antsika Andriamanitra; ary hatahotra Azy ny vazan-tany rehetra.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |