1 |
[Fisaorana nataon'izay narary mafy noho ny namonjen'Andriamanitra ny ainy] Salamo. Fihirana tamin'ny nitokanana ny trano. Nataon'i Davida. Hanandratra Anao aho, Jehovah ô; fa nanintona ahy niakatra Hianao, ka tsy nataonao ho fifalian'ny fahavaloko aho. |
2 |
Jehovah Andriamanitro ô, nitaraina taminao aho, dia nahasitrana ahy Hianao. |
3 |
Jehovah ô, efa nampakatra ny fanahiko avy tany amin'ny fiainan-tsi-hita Hianao; efa nampody ny aiko Hianao, mba tsy ho isan'izay midina any an-davaka aho.[Heb: Sheola] |
4 |
Mankalazà an'i Jehovah, ry olony masina, ka miderà ny anarany masina.[Heb: fahatsiarovana] |
5 |
Fa indray mipi-maso ihany ny fahatezerany; nefa mandritra ny andro iainana kosa ny fankasitrahany; amin'ny hariva dia misy fitomaniana tonga hivahiny miloaka alina; Fa nony maraina kosa dia misy fihobiana. |
6 |
Ary hoy izaho, raha mbola niadana: tsy hangozohozo mandrakizay aho.[Heb: Na: noho ny fiadanako] |
7 |
Jehovah ô, noho ny fankasitrahanao dia nampitoerinao mafy ny tendrombohitro; nanafina ny tavanao Hianao, dia ory aho. |
8 |
Hianao no nantsoiko, Jehovah ô; ary Jehovah no nifonako hoe: |
9 |
Inona no soa azo amin'ny rako sy ny hidinako any an-davaka? Hidera Anao va ny vovoka? Hanambara ny fahamarinanao va izany? |
10 |
Mihainoa, Jehovah ô, ka mamindrà fo amiko; Jehovah ô, aoka ho Mpamonjy ahy Hianao. |
11 |
Efa nampody ny fisaonako ho fandihizana Hianao; efa nanaisotra ny lamba fisaonako Hianao ka nampisikina ahy fifaliana,Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro] |
12 |
Mba hankalazan'ny fanahiko Anao ka tsy hangina. Jehovah Andriamanitro ô, hidera Anao mandrakizay aho.[Heb: voninahitro]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |