1 |
[Vavaka ataon'izay foin'ny sakaizany sady enjehin'ny fahavalony] Maskila nataon'i Davida tamin'izy tao anaty lavaka. Fivavahana. Ny feoko no itarainako amin'i Jehovah; Ny feoko no ifonako amin'i Jehovah. |
2 |
Loarako eo anatrehany ny fitarainako; Ambarako eo anatrehany ny fahoriako. |
3 |
Raha reraka ato anatiko ny fanahiko, dia fantatro ny alehako; Eo amin'ny lalana izorako No nanafenany fandrika hamandrihany ahy. |
4 |
Jereo eo an-kavanana, ka izahao, Fa tsy misy olona mahalala ahy; Foana avokoa ny fiarovana ahy; Tsy misy miahy ny fanahiko. |
5 |
Mitaraina aminao aho, Jehovah ô; Hoy izaho: Hianao no aroko Sy anjarako eo amin'ny tanin'ny velona. |
6 |
Henoy ny fitarainako, Fa reraka indrindra aho; Vonjeo aho amin'ny mpanenjika ahy, Fa tsy leoko ireny.Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao. |
7 |
Avoahy hiala amin'ny tranomaizina ny fanahiko, Mba hiderako ny anaranao; Hanodidina ahy ny marina, Satria manisy soa ahy Hianao.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |