1 |
[Fahatsiarovana ny alahelon'ny babo tany Babylona] Teo amoron'ny onin'i Babylona no nipetrahanay, Sady nitomanianay, raha nahatsiaro an'i Ziona. |
2 |
Teo amin'ny hazomalahelo teo afovoan'i Babylona No nanantonanay ny lokanganay. |
3 |
Fa teo dia nangataka anay hihira izay namabo anay; Ary izay nampahory anay nangataka anay hanao fifaliana ka nanao hoe: Manaova hiran'i Ziona eto anatrehanay. |
4 |
Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah Tany an-tany nivahiniana? |
5 |
Raha manadino anao aho, ry Jerosalema ô, Aoka kosa ny tanako ankavanana mba hanadino. |
6 |
Raha tsy mahatsiaro anao aho, Aoka ny lelako hiraikitra amin'ny lanilaniko, Raha tsy Jerosalema no ataoko ambony indrindra amin'ny fifaliako rehetra. |
7 |
Jehovah ô, tsarovy amin'ny taranak'i Edoma Ny andron'i Jerosalema, Dia ireo izay nanao hoe: Ravao, ravao izy Hatramin'ny fanorenany. |
8 |
Ry Babylona zanakavavy izay efa resy, Sambatra izay mamaly anao Araka izay nataonao taminay.[Na: ho resy]Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato. |
9 |
Sambatra izay maka ny zanakao madinika ka manjera azy ho torotoro, Amin'ny harambato.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |