1 |
[Fankalazana an'Andriamanitra noho ny nanaovany izao rehetra izao sy ny nanavotany ny olony] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
2 |
Midera an'Andriamanitra Avo Indrindra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.[Heb. Andriamanitry ny andriamanitra] |
3 |
Miderà ny Tompon'ny tompo; Fa mandrakizay ny famindram-pony; |
4 |
Izy irery no Mpanao fahagagan-dehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
5 |
Izay nanao ny lanitra tamin'ny fahendrena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
6 |
Izay namelatra ny tany ho ambonin'ny rano, (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
7 |
Izay nanao ireo fanazavana lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
8 |
Dia ny masoandro ho mpanapaka ny andro (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
9 |
Ary ny volana sy ny kintana ho mpanapaka ny alina (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
10 |
Izay namely ny voalohan-terak'i Egypta, (Fa mandrakizay ny famindram-pony) |
11 |
Ka nitondra ny Isiraely nivoaka avy teo aminy (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
12 |
Tamin'ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
13 |
Izay nampisaraka ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
14 |
Ka nampandeha ny Isiraely namaky teo afovoany (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
15 |
Fa nanary an'i Farao sy ny miaramilany tao anatin'ny Ranomasina Mena (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
16 |
Izay nitondra ny olony nitety ny efitra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
17 |
Izay namely mpanjaka lehibe (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
18 |
Ka nahafaty mpanjaka malaza (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
19 |
Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
20 |
Sy Oga, mpanjakan'i Basana (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
21 |
Ary ny taniny nomeny ho lova (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
22 |
Dia ho lovan'ny Isiraely mpanompony (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
23 |
Izay nahatsiaro antsika fony isika ambany toetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
24 |
Ka naneho hery namonjy antsika ho afaka tamin'ny fahavalontsika (Fa mandrakizay ny famindram-pony), |
25 |
Izay manome hanina ny nofo rehetra (Fa mandrakizay ny famindram-pony);Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
26 |
Miderà an'Andriamanitry ny lanitra; Fa mandrakizay ny famindram-pony.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |