1 |
[Ny hatsaran'ny tokan-tranon'ny olona matahotra an'Andriamanitra] Fihirana fiakarana. Sambatra izay rehetra matahotra an'i Jehovah, Dia izay mandeha amin'ny lalany.[Na: Fihirana misy hevitra ambaratonga] |
2 |
Fa hohaninao tokoa ny asan'ny tananao; Sambatra sady ambinina ianao. |
3 |
Ny vadinao dia tahaka ny voaloboka mahavokatra Ao anatin'ny tranonao; Ny zanakao dia tahaka ny zanak'oliva Manodidina ny latabatrao. |
4 |
Indro, fa toy izany no hitahiana Izay lehilahy matahotra an'i Jehovah. |
5 |
Hitahy anao avy any Ziona anie Jehovah; Ary ho faly hahita ny fahasoavan'i Jerosalema anie ianao Amin'ny andro rehetra hiainanao.Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely. |
6 |
Eny, hahita ny zafinao anie ianao; Fiadanana anie ho amin'ny Isiraely.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |