1 |
[Ny amin'ny loza hanjo ny manao teny ratsy sy tia ozona] Ho an'ny mpiventy hira. Salamo nataon'i Davida. RY Andriamanitra fidèrako ô, aza mangina Hianao, |
2 |
Fa nisoka-bava ny ratsy fanahy sy ny mpamitaka hamely ahy; Niteny ahy tamin'ny lela mandainga izy. |
3 |
Teny fankahalana no nanodidinany ahy; Ary niady tamiko tsy ahoan-tsy ahoana izy. |
4 |
Ny fitiavako dia valiany fandrafiana; Fa izaho kosa dia mivavaka. |
5 |
Ny soa nataoko novaliany ratsy, Ary ny fitiavako novaliany fankahalana. |
6 |
Anendreo olona ratsy fanahy hanapaka azy; Ary aoka hisy mpanohitra hitsangana eo an-kavanany.[Na: aoka Satana] |
7 |
Raha hotsaraina izy, dia aoka ho meloka, Ary aoka ny fivavahany ho tonga fahotana. |
8 |
Aoka ho vitsy ny androny; Ary aoka ho lasan'olon-kafa ny anjara raharahany. |
9 |
Aoka ho kamboty ny zanany; Ary aoka ho mpitondratena ny vadiny |
10 |
Aoka hirenireny mangataka ny zanany, Ary aoka hiremby lavitra ny tranony efa rava izy. |
11 |
Aoka ny mpampanàna vola hamandrika izay rehetra ananany; Ary aoka ny olon-kafa hifaoka ny vokatry ny asany. |
12 |
Aoka tsy hisy haharitra hamindra fo aminy, Na hiantra ny zanany kamboty. |
13 |
Aoka ho fongora ny taranany; Ary aoka hovonoina amin'ny taranaka mandimby ny anarany. |
14 |
Aoka hotsarovan'i Jehovah ny helo-drainy; Ary aoka tsy hovonoina ny helo-dreniny. |
15 |
Aoka ho eo anatrehan'i Jehovah mandrakariva izany, Ary hofoanany tsy ho eo ambonin'ny tany anie ny fahatsiarovana azy. |
16 |
Satria tsy mba nahatsiaro hamindra fo izy, Fa nanenjika ny ory sy ny malahelo Ary ny reraka am-po mba hahafaty azy; |
17 |
Tia ozona izy, ka nanody azy izany; Tsy tia indrafo izy, ka nanalavitra azy izany. |
18 |
Nitafy ozona tahaka ny lambany izy, Ka niditra tao an-kibony tahaka ny rano izany, Ary tao amin'ny taolany tahaka ny diloilo; |
19 |
Dia aoka ho tahaka ny lamba itafiany izany, Ary ho fisikinana isikinany mandrakariva. |
20 |
Izany no famaliana avy amin'i Jehovah ho an'ny mpanohitra ahy, Dia izay manendrikendrika ahy. |
21 |
Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, miasà ho ahy noho ny anaranao; Vonjeo aho, fa tsara ny famindram-ponao. |
22 |
Fa mahantra sy malahelo aho, Ary ny foko dia voatsindrona ato anatiko. |
23 |
Lasa tahaka ny aloka mihelina aho; Roahina tahaka ny valala aho. |
24 |
Efa malemy ny lohaliko noho ny fifadian-kanina; Ary efa mihena ny hatavin'ny nofoko. |
25 |
Ary izaho dia tonga fandatsan'ireny; Mijery ahy izy ka mihifikifi-doha. |
26 |
Ampio aho Jehovah Andriamanitro ô; Vonjeo araka ny famindram-ponao aho; |
27 |
Ary aoka ho fantany fa tananao izany; Hianao, Jehovah ô, no nanao izany. |
28 |
Manozona izy ireo, fa Hianao kosa mitahy; Mitsanga-menatra izy, fa mifaly kosa ny mpanomponao. |
29 |
Mitafy henatra ny fahavaloko Ka misaron-kenatra tahaka ny lamba. |
30 |
Hidera an'i Jehovah indrindra amin'ny vavako aho; Eny, eo amin'ny olona maro no hiderako Azy.Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny. |
31 |
Fa mitsangana eo an-kavanan'ny malahelo Izy Mba hamonjy azy amin'izay manameloka ny fanahiny.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |