1 |
[BOKY FAHADIMY][Fiantsoana ny olona efa nahita soa tamin'Andriamanitra mba hisaotra Azy] Miderà an'i Jehovah, fa tsara Fa mandrakizay ny famindram-pony. |
2 |
Aoka hanao izany ny navotan'i Jehovah, Dia izay navotany ho afa-ka tamin'ny tanan'ny fahavalo, [Na: fahoriana] |
3 |
Sy nangoniny avy tany amin'ny tany maro, Dia avy tany atsinanana sy andrefana ary tany avaratra sy tany amin'ny ranomasina. |
4 |
Nirenireny tany an-efitra ireny ka nanavatsava tany an-tany foana, Ary tsy nahita tanàna honenana. |
5 |
Noana sy nangetaheta izy, Sady reraka ny ainy tao anatiny, |
6 |
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny; |
7 |
Dia nitondra azy tamin'ny lalana mahitsy Izy, Mba hankanesany any amin'izay tanàna honenana. |
8 |
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
9 |
Fa mahafa-po ny fanahy mangetaheta Izy, Ary ny fanahy noana dia vokisany soa. |
10 |
Izay nipetraka tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana, Voafato-pahoriana sy vy, |
11 |
Satria nandà ny tenin'Andriamanitra Sady naniratsira ny anatry ny Avo Indrindra; |
12 |
Dia nampietreny tamin'ny fahoriana ny fony; Ka potraka izy, nefa tsy nisy hamonjy;[Heb. tafintohina] |
13 |
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. |
14 |
Nitondra azy nivoaka avy tao amin'ny maizina sy ny aloky ny fahafatesana Izy, Ary notosany ny fatorany. |
15 |
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
16 |
Fa nanorotoro ny varavarana varahina Izy, Ary ny hidy vy nohenteriny. |
17 |
Mitondra fahoriana ny adala noho ny fahadisoany sy ny helony: |
18 |
Nahamonamonaina azy ny hanina rehetra; Ary nanakaiky ny vavahadin'ny fahafatesana izy. |
19 |
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka novonjeny tamin'ny fahatereny. |
20 |
Nandefa ny teniny Izy mba hahasitrana azy Ary nanafaka azy tamin'ny longoa nianjerany. |
21 |
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
22 |
Ary aoka hanatitra fanati-pisaorana izy Sy hilaza ny asany amin'ny fihobiana. |
23 |
Izay midina any an-dranomasina ka mandeha an-tsambo Sy manao raharaha any amin'ny rano lehibe |
24 |
No mahita ny asan'i Jehovah Sy ny fahagagana ataony amin'ny rano lalina. |
25 |
Fa niteny Izy ka nanangana rivotra mahery, Izay nampisondrotra ny onjan-drano; |
26 |
Niakatra hatramin'ny lanitra ny olona, ary nidina hatramin'ny lalina; Ny fanahiny levona noho ny fahoriana. |
27 |
Nisangodingodina ireo sady nivembena toy ny mamo, Ka dia very ny sainy rehetra. |
28 |
Dia nitaraina tamin'i Jehovah ireo, raha ory, Ka nampiala azy tamin'ny fahatereny Izy. |
29 |
Nanony ny rivotra mahery Izy, Ka nitsahatra ny onjan-drano. |
30 |
Dia faly ireo, satria nitsahatra izany; Ary nentiny ho amin'ny fitodiana niriny izy. |
31 |
Aoka hidera an'i Jehovah ireo noho ny famindram-pony Sy ny fahagagana ataony amin'ny zanak'olombelona! |
32 |
Ary aoka hanandratra Azy eo amin'ny fiangonan'ny olona izy Ka hidera Azy eo amin'ny fipetrahan'ny loholona. |
33 |
Mampody ny ony ho efitra Izy Ary ny loharano ho tany mangentana, |
34 |
Ny tany mahavokatra ho tanin-tsira, Noho ny faharatsian'ny mponina eo. |
35 |
Mampody ny efitra ho rano monina Izy Sy ny tany maina ho loharano, |
36 |
Ary amponeniny eo izay noana, Mba hanamboatra tanana honenana; |
37 |
Ary hamafy eny an-tsaha izy Sady hanao tanim-boaloboka Ka hahazo vokatra be. |
38 |
Dia mitahy azy Izy mba hitomboany betsaka, Ka tsy avelany hihavitsy ny biby fiompiny. |
39 |
Fa mihakely sy mietry indray izy Noho ny fampahoriana sy ny loza ary ny alahelo. |
40 |
Mampidina fanamavoana amin'ny mpanapaka Jehovah Ka mampirenireny azy any an-efitra tsy misy lalana; |
41 |
Fa manandratra ny malahelo ho afa-pahoriana kosa Izy,Ka mahamaro mianakavy azy toy ny ondry andiany. |
42 |
Hahita izany ny marina ka ho faly; Fa hihombom-bava kosa ny ratsy fanahy rehetra.Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah. |
43 |
Izay hendry dia aoka hahafantatra izany Ka hahalala ny famindram-pon'i Jehovah.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Salamo 107:1 |
Salamo 107:2 |
Salamo 107:3 |
Salamo 107:4 |
Salamo 107:5 |
Salamo 107:6 |
Salamo 107:7 |
Salamo 107:8 |
Salamo 107:9 |
Salamo 107:10 |
Salamo 107:11 |
Salamo 107:12 |
Salamo 107:13 |
Salamo 107:14 |
Salamo 107:15 |
Salamo 107:16 |
Salamo 107:17 |
Salamo 107:18 |
Salamo 107:19 |
Salamo 107:20 |
Salamo 107:21 |
Salamo 107:22 |
Salamo 107:23 |
Salamo 107:24 |
Salamo 107:25 |
Salamo 107:26 |
Salamo 107:27 |
Salamo 107:28 |
Salamo 107:29 |
Salamo 107:30 |
Salamo 107:31 |
Salamo 107:32 |
Salamo 107:33 |
Salamo 107:34 |
Salamo 107:35 |
Salamo 107:36 |
Salamo 107:37 |
Salamo 107:38 |
Salamo 107:39 |
Salamo 107:40 |
Salamo 107:41 |
Salamo 107:42 |
Salamo 107:43 |
|
|
|
|
|
|
Salamo 1 / Sal 1 |
Salamo 2 / Sal 2 |
Salamo 3 / Sal 3 |
Salamo 4 / Sal 4 |
Salamo 5 / Sal 5 |
Salamo 6 / Sal 6 |
Salamo 7 / Sal 7 |
Salamo 8 / Sal 8 |
Salamo 9 / Sal 9 |
Salamo 10 / Sal 10 |
Salamo 11 / Sal 11 |
Salamo 12 / Sal 12 |
Salamo 13 / Sal 13 |
Salamo 14 / Sal 14 |
Salamo 15 / Sal 15 |
Salamo 16 / Sal 16 |
Salamo 17 / Sal 17 |
Salamo 18 / Sal 18 |
Salamo 19 / Sal 19 |
Salamo 20 / Sal 20 |
Salamo 21 / Sal 21 |
Salamo 22 / Sal 22 |
Salamo 23 / Sal 23 |
Salamo 24 / Sal 24 |
Salamo 25 / Sal 25 |
Salamo 26 / Sal 26 |
Salamo 27 / Sal 27 |
Salamo 28 / Sal 28 |
Salamo 29 / Sal 29 |
Salamo 30 / Sal 30 |
Salamo 31 / Sal 31 |
Salamo 32 / Sal 32 |
Salamo 33 / Sal 33 |
Salamo 34 / Sal 34 |
Salamo 35 / Sal 35 |
Salamo 36 / Sal 36 |
Salamo 37 / Sal 37 |
Salamo 38 / Sal 38 |
Salamo 39 / Sal 39 |
Salamo 40 / Sal 40 |
Salamo 41 / Sal 41 |
Salamo 42 / Sal 42 |
Salamo 43 / Sal 43 |
Salamo 44 / Sal 44 |
Salamo 45 / Sal 45 |
Salamo 46 / Sal 46 |
Salamo 47 / Sal 47 |
Salamo 48 / Sal 48 |
Salamo 49 / Sal 49 |
Salamo 50 / Sal 50 |
Salamo 51 / Sal 51 |
Salamo 52 / Sal 52 |
Salamo 53 / Sal 53 |
Salamo 54 / Sal 54 |
Salamo 55 / Sal 55 |
Salamo 56 / Sal 56 |
Salamo 57 / Sal 57 |
Salamo 58 / Sal 58 |
Salamo 59 / Sal 59 |
Salamo 60 / Sal 60 |
Salamo 61 / Sal 61 |
Salamo 62 / Sal 62 |
Salamo 63 / Sal 63 |
Salamo 64 / Sal 64 |
Salamo 65 / Sal 65 |
Salamo 66 / Sal 66 |
Salamo 67 / Sal 67 |
Salamo 68 / Sal 68 |
Salamo 69 / Sal 69 |
Salamo 70 / Sal 70 |
Salamo 71 / Sal 71 |
Salamo 72 / Sal 72 |
Salamo 73 / Sal 73 |
Salamo 74 / Sal 74 |
Salamo 75 / Sal 75 |
Salamo 76 / Sal 76 |
Salamo 77 / Sal 77 |
Salamo 78 / Sal 78 |
Salamo 79 / Sal 79 |
Salamo 80 / Sal 80 |
Salamo 81 / Sal 81 |
Salamo 82 / Sal 82 |
Salamo 83 / Sal 83 |
Salamo 84 / Sal 84 |
Salamo 85 / Sal 85 |
Salamo 86 / Sal 86 |
Salamo 87 / Sal 87 |
Salamo 88 / Sal 88 |
Salamo 89 / Sal 89 |
Salamo 90 / Sal 90 |
Salamo 91 / Sal 91 |
Salamo 92 / Sal 92 |
Salamo 93 / Sal 93 |
Salamo 94 / Sal 94 |
Salamo 95 / Sal 95 |
Salamo 96 / Sal 96 |
Salamo 97 / Sal 97 |
Salamo 98 / Sal 98 |
Salamo 99 / Sal 99 |
Salamo 100 / Sal 100 |
Salamo 101 / Sal 101 |
Salamo 102 / Sal 102 |
Salamo 103 / Sal 103 |
Salamo 104 / Sal 104 |
Salamo 105 / Sal 105 |
Salamo 106 / Sal 106 |
Salamo 107 / Sal 107 |
Salamo 108 / Sal 108 |
Salamo 109 / Sal 109 |
Salamo 110 / Sal 110 |
Salamo 111 / Sal 111 |
Salamo 112 / Sal 112 |
Salamo 113 / Sal 113 |
Salamo 114 / Sal 114 |
Salamo 115 / Sal 115 |
Salamo 116 / Sal 116 |
Salamo 117 / Sal 117 |
Salamo 118 / Sal 118 |
Salamo 119 / Sal 119 |
Salamo 120 / Sal 120 |
Salamo 121 / Sal 121 |
Salamo 122 / Sal 122 |
Salamo 123 / Sal 123 |
Salamo 124 / Sal 124 |
Salamo 125 / Sal 125 |
Salamo 126 / Sal 126 |
Salamo 127 / Sal 127 |
Salamo 128 / Sal 128 |
Salamo 129 / Sal 129 |
Salamo 130 / Sal 130 |
Salamo 131 / Sal 131 |
Salamo 132 / Sal 132 |
Salamo 133 / Sal 133 |
Salamo 134 / Sal 134 |
Salamo 135 / Sal 135 |
Salamo 136 / Sal 136 |
Salamo 137 / Sal 137 |
Salamo 138 / Sal 138 |
Salamo 139 / Sal 139 |
Salamo 140 / Sal 140 |
Salamo 141 / Sal 141 |
Salamo 142 / Sal 142 |
Salamo 143 / Sal 143 |
Salamo 144 / Sal 144 |
Salamo 145 / Sal 145 |
Salamo 146 / Sal 146 |
Salamo 147 / Sal 147 |
Salamo 148 / Sal 148 |
Salamo 149 / Sal 149 |
Salamo 150 / Sal 150 |