1 |
Indro, foana ny fihendrena azy; Tsy mahakivy va na dia ny fijery azy aza? |
2 |
Tsy misy sahy manao vi-very hanaitra azy; Koa iza kosa no mahajanona eo anatrehako? |
3 |
Iza no nanome Ahy aloha mba hamaliako azy? Ny eny ambanin'ny lanitra rehetra dia Ahy avokoa. |
4 |
Tsy mbola hangina Aho ny amin'ny momba ny tenany sy ny heriny ary ny fahatsaran'ny endriny. |
5 |
Iza no mahasonga ny fitafiany anoloany? Na iza no sahy hiditra ao amin'ny nifiny roa sosona? |
6 |
Iza no mahasokatra ny varavaran'ny tavany? Mahatsiravina ny nifiny manodidina! |
7 |
Reharehany ny faharaoraon'ny kirany, mihidy avokoa toy ny voapetaka mafy amin'ny tombo-kase ireo;[Heb. ampingany] |
8 |
Mikirindro ireo, ka tsy azon'ny rivotra idirana eo anelanelany. |
9 |
Mifanindry lany ireo sady mifaniditra ka tsy azo sarahina, |
10 |
Ny fieviny dia mampamirapiratra fahazavana, ary ny masony dia tahaka ny hodimason'ny maraina. |
11 |
Lelafo no mivoaka avy amin'ny vavany; Kilalaon'afo no mipariaka avy aminy. |
12 |
Ny vavorony dia ivoahan'ny setroka, tahaka ny avy amin'ny vilany mangotraka, na amin'ny fahandroana.[Na: afon-kerana] |
13 |
Ny fofonainy mampirehitra arina, ary misy lelafo mivoaka avy amin'ny vavany. |
14 |
Ny vozony no itoeran'ny hery; Ary mibitaka eo alohany ny fampahatahorana. |
15 |
Mivalombalona ny hotraka amin'ny tenany; Mafy ireny ka tsy azo endahana. |
16 |
Mafy tahaka ny vato ny fony; Eny, mafy tahaka ny vato fikosoham-bary. |
17 |
Raha mitsangana izy, dia raiki-tahotra ny mahery; Eny, toran-kovitra ireo ka tsy mahavoa. |
18 |
Raha misy mamely azy amin'ny sabatra dia tsy mahalaitra, na amin'ny lefom-pohy, na ny firombaka, na ny zana-tsipìka. |
19 |
Ataony toy ny mololo ny vy, ary toy ny hazo momoka ny varahina. |
20 |
Tsy mampandositra azy ny zana-tsipìka; Ataony ho toy ny vodivary ny vaton'antsamotady. |
21 |
Ataony ho toy ny vodivary koa ny langilangy; Ihomehezany ny fanetsehana ny lefona. |
22 |
Ny takibany dia tahaka ny tavim-bilany maranitra; Mamelatra fivelezam-bary maranitra eo amin'ny fotaka izy. |
23 |
Mampandevy ny lalina ho tahaka ny ao am-bilany izy; Manao ny ranomasina ho tahaka ny vilany misy menaka manitra izy. |
24 |
Mampahazava ny lalany eo aoriany izy. Ataon'ny olona ho toy ny volo fotsy ny lalina. |
25 |
Tsy misy tahaka azy eny ambonin'ny tany, izay voaforona tsy hahalala tahotra.Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy |
26 |
Ny avo rehetra jereny avokoa; Mpanjakan'ny bibi-dia rehetra izy
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Joba 41:1 |
Joba 41:2 |
Joba 41:3 |
Joba 41:4 |
Joba 41:5 |
Joba 41:6 |
Joba 41:7 |
Joba 41:8 |
Joba 41:9 |
Joba 41:10 |
Joba 41:11 |
Joba 41:12 |
Joba 41:13 |
Joba 41:14 |
Joba 41:15 |
Joba 41:16 |
Joba 41:17 |
Joba 41:18 |
Joba 41:19 |
Joba 41:20 |
Joba 41:21 |
Joba 41:22 |
Joba 41:23 |
Joba 41:24 |
Joba 41:25 |
Joba 41:26 |
|
|
|
|
|
|
Joba 1 / Joba 1 |
Joba 2 / Joba 2 |
Joba 3 / Joba 3 |
Joba 4 / Joba 4 |
Joba 5 / Joba 5 |
Joba 6 / Joba 6 |
Joba 7 / Joba 7 |
Joba 8 / Joba 8 |
Joba 9 / Joba 9 |
Joba 10 / Joba 10 |
Joba 11 / Joba 11 |
Joba 12 / Joba 12 |
Joba 13 / Joba 13 |
Joba 14 / Joba 14 |
Joba 15 / Joba 15 |
Joba 16 / Joba 16 |
Joba 17 / Joba 17 |
Joba 18 / Joba 18 |
Joba 19 / Joba 19 |
Joba 20 / Joba 20 |
Joba 21 / Joba 21 |
Joba 22 / Joba 22 |
Joba 23 / Joba 23 |
Joba 24 / Joba 24 |
Joba 25 / Joba 25 |
Joba 26 / Joba 26 |
Joba 27 / Joba 27 |
Joba 28 / Joba 28 |
Joba 29 / Joba 29 |
Joba 30 / Joba 30 |
Joba 31 / Joba 31 |
Joba 32 / Joba 32 |
Joba 33 / Joba 33 |
Joba 34 / Joba 34 |
Joba 35 / Joba 35 |
Joba 36 / Joba 36 |
Joba 37 / Joba 37 |
Joba 38 / Joba 38 |
Joba 39 / Joba 39 |
Joba 40 / Joba 40 |
Joba 41 / Joba 41 |
Joba 42 / Joba 42 |