1 |
Fantatrao va ny fotoana fiterahan'ny osi-dia any amin'ny harambato? Voahevitrao va ny fiterahan'ny dieravavy? |
2 |
Mahisa ny andro ahatanterahany va ianao? Ary fantatrao va ny fotoana fiterahany? [Heb. ny volana taperiny] |
3 |
Miondrika izy ka teraka, sady alefany ny faharariany. |
4 |
Donga ny zanany, mihalehibe any an-efitra ireny; Mivoaka izy ka tsy mety miverina intsony. |
5 |
Iza moa no nandefa ny boriki-dia ho karenjy? Ary iza no namaha ny fatoran'ny boriki-dia, |
6 |
Izay nomeko ny tani'hay ho fitoerany ary ny tanin-tsira ho fonenany? |
7 |
Ihomehezany ny fitabatabana ao an-tanàna; Tsy ahoany akory ny fiantsoantson'ny mpampandeha; |
8 |
Any an-tendrombohitra rehetra any no fihinanany, ary mitady ny zava-maitso rehetra izy. |
9 |
Mba mety manompo anao va ny ombimanga na handry ao am-pahitrao amin'ny alina? |
10 |
Mahafatotra ny ombimanga amin'ny mahazaka ho ao am-bavasanao va ianao? Na mety manaraka anao handravona bainga any an-dohasaha va izy? |
11 |
Azonao itokiana va izy satria lehibe ny heriny? Ary havelanao hataony va ny asanao? |
12 |
Azonao itokiana hitondra ny varinao mody va izy sy hanangona izany ho eo am-pamoloanao? |
13 |
Mikopakopaka noho ny fifaliana ny elatry ny ostritsa; Nefa mahalemy fanahy azy va ny elany sy ny volony? |
14 |
Tsia, fa mandao ny atodiny ao amin'ny tany izy ka mamela azy ho afanain'ny vovoka, |
15 |
Ary tsy ahiny izay ho voaporitry ny tongotra ireo. Na ho voahitsaky ny bibi-dia. |
16 |
Tsy tia ny zanany izy fa ataony hoatra ny tsy azy ireny; Efa very foana izay nisasarany, nefa tsy ahoany akory izany; |
17 |
Fa efa nampanadinoin'Andriamanitra ny fahendrena izy, ary Tsy nomeny anjara fahalalana. |
18 |
Raha mikopakopak'elatra toa hanidina izy, dia ihomehezany ny soavaly sy ny mpitaingina azy. |
19 |
Moa manome hery ny soavaly va ianao, na manarona vombo mihofahofa ny vozony? |
20 |
Mahay mampitsipika azy tahaka ny valala va ianao? Mahatsiravina ny hamafin'ny fiefonefony! |
21 |
Mihehy ao amin'ny lohasaha izy ka mifalifaly noho ny heriny; Mandroso hanetra ny ady izy.[Heb. fiadiana] |
22 |
Mihomehy ny tahotra izy, fa tsy mety mivadi-po. Ary tsy mianotra amin'ny sabatra. |
23 |
Mifioka eny amboniny ny zana-tsipìka sy ny lefona manelatselatra ary ny lefom-pohy.[Heb. tranon-jana-tsipìka] |
24 |
Miriotra mafy amin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana izy ka tsy mety mijanona intsony, rehefa maneno ny anjomara. [Heb. Mitelina ny tany][Na: Tsy mino izy fa feon'ny anjomara izany] |
25 |
Na oviana na oviana no anenoan'ny anjomara dia mihiaka izy. Ary manimbolo ny ady izy, raha mbola lavitra, dia ny akoralava sy ny fitabataban'ny manamboninahitra. |
26 |
Ny fahendrenao va no mampanidina ny hitsikitsika sy mampamelatra ny elany hianatsimo? |
27 |
Noho ny didinao va no iakaran'ny voromahery sy anaovany ny akaniny eny an-dringiringy? |
28 |
Eny amin'ny harambato no itoerany sy anaovany ny akaniny, dia eo an-tampon'ny harambato sy ao amin'ny fiarovana. |
29 |
Any no itazanany remby; Mahatsinjo lavitra ny masony.Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy. |
30 |
Mitsentsitra rà ny zanany, ary izay itoeran'ny faty dia any izy.
|
Latin Nova Vulgata Bible 1979 |
Public Domain: Nova Vulgata 1979 |