1 |
Eny, izany no mampitepotepo ny foko ka mampiemponempona azy hiala amin'ny fitoerany. |
2 |
Mihainoa dia mihainoa ny fikotrokotroky ny feony sy ny rohona izay mivoaka avy amin'ny vavany. |
3 |
Mandefa izany ho eny ambanin'ny lanitra rehetra Izy, ary ny helatra hatramin'ny faran'ny tany.[Heb. fahazavany] |
4 |
Manarakaraka izany, dia misy feo mirohondrohona; Mampikotrokotroka ny feon'ny fahalehibiazany Izy, ka rehefa re ny feony, dia tsy sakanany ny helatra. |
5 |
Mahagaga ny fikotrokotrok'Andriamanitra amin'ny feony; Manao zava-dehibe tsy takatry ny saintsika Izy. |
6 |
Fa ny oram-panala baikoiny hoe: Milatsaha eny ambonin'ny tany ianao; Ary toy izany koa ny ranonorana mivatravatra, eny, dia ny ranonorany mivatravatra mafy. |
7 |
Mampiohona ny tanan'ny olona rehetra Izy, mba samy hahalala izany ny olona rehetra izay nataony;[Heb. manisy tombo-kase] |
8 |
Ary miditra ao am-piereny koa ny bibidia ka mamitsaka ao an-davany. |
9 |
Avy any atsimo ny tadio, ary entin'ny rivotra avy any avaratra ny hatsiaka.[Heb. efi-trano][Heb. avy amin'ireo mpanahakahaka] |
10 |
Ny fofonain'Andriamanitra mahamisy ranomandry, ka voageja ny rano malalaka. |
11 |
Ny rahona matevina tambesarany rano, ary ny rahon'ny helatra dia ampieleziny;[Heb. fahazavany] |
12 |
Dia mihodinkodina araka ny fitarihany azy ireo hanatanteraka izay rehetra andidiany azy eny ambonin'ny tany eran'izao tontolo izao,[Na: Eny ambonin'izao tontolo izao ho amin'ny tany] |
13 |
Na alatsany ho famaizana raha tokony ho an'ny taniny izany na ho famindram-po kosa.[Na: alatsany ho famaizana, na hahasoa ny taniny, na ho famindram-po] |
14 |
Mihainoa izany, ry Joba; Mijanona, ka mba diniho ny fahagagana ataon'Andriamanitra. |
15 |
Fantatrao va ny fanamboaran'Andriamanitra ireny sy ny fampitselatselany ny helatry ny rahony? [Heb. fahazavany] |
16 |
Fantatrao va ny fihevahevan'ny rahona matevina, dia ny fahagagana avon'Ilay tanteraka amin'ny fahalalana? |
17 |
Hianao izay mahatsiaro ny fitafianao ho mafana, raha migaingaina ny andro azon'ny rivotra avy any atsimo, |
18 |
Moa ianao niara-nanao taminy va, raha namelatra ny habakabaka Izy, izay mitoetra mafy toy ny zavatra manganohano natao an-idina? |
19 |
Mba ampianaro anay ary izay holazainay aminy; Fa tsy hitanay izay halahatray noho ny aizina, |
20 |
Holazaina aminy va, raha miteny aho? Moa misy olona maniry ho levona tokoa va?[Heb. miteny ta-hatelina] |
21 |
Tsy hita ankehitriny ny mazava, Izay mamirapiratra any amin'ny rahona: Nefa raha mandalo ny rivotra, dia mampisava azy ihany izany. |
22 |
Avy any avaratra no ihavian'ny mazava mitarehim-bolamena; Ao amin'Andriamanitra ny voninahitra mahatahotra.[Heb. ihavian'ny volamena] |
23 |
Ny Tsitoha, tsy mahita Azy isika; Izay lehibe amin'ny hery sy ny fitsarana mbamin'ny fahamarinana tanteraka dia tsy mba mampahory.[Na: mamaly]Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra] |
24 |
Koa izany no atahoran'ny olona Azy; Tsy mety mijery izay manao azy ho hendry Izy.[Heb. ny hendry am-po; na: Tsy misy mahita Azy ny hendry am-po rehetra]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |