1 |
Fa ankehitriny kosa dia mihomehy ahy na dia izay tokon-jandriko aza, dia zanak'ireo izay nolaviko tsy ho isan'ny amboa miandry ny ondriko akory aza. |
2 |
Eny, mampaninona ahy ny herin'ny tànan'ireo. Izay efa very fahatanjahana? |
3 |
Manjenjena noho ny tsi-fisian-kanina sy ny mosary izy; Homankomana foana any an-tany karankaina izy, dia eo an-katoky ny loza sy ny fandringanana.[Na: Ana, na Kaozatra, na Tsy manan-janaka] |
4 |
Mitsongo anambodihena eo amin'ny kirihitrala izy, ary ny fakan'ny anjavidy no fihinany.[Heb. rotema; izahao 1 Mpan. xix. 4] |
5 |
Roahina tsy ho eo amin'ny olona izy sady akoraina toy ny mpangalatra. |
6 |
Any an-dohasaha mahatsiravina no tsy maintsy itoerany, dia ao an-dava-tany sy an-dava-bato. |
7 |
Minananana eny amin'ny kirihitrala izy ary mitangorona eo ambanin'ny amiana. |
8 |
Zanaky ny adala izy sady zanaky ny tsy manan-kaja, ka roahina tsy ho eo amin'ny tany. |
9 |
Ary ankehitriny efa ataony an-kira aho. Eny, efa ambentinteniny aho. |
10 |
Ataony toy ny zava-betaveta aho ka halaviriny, ary tsy menatra handrora ny tavako izy. |
11 |
Fa noketrahin'Andriamanitra ny kofehiko, ka nampietreny aho; Ka dia mba nesorin'iretsy kosa teo anatrehako ny lamboridiny. |
12 |
Misy androvolahy mitsangana eo ankavanako; Manosika ny tongotro hiala izy ary manandratra tovon-tany hampidirany loza amiko. |
13 |
Mandrava ny lalako sy manararaotra ny andravana ahy izy, nefa ny tenany tsy manan-kamonjy, |
14 |
Toy ny fiditra eo amin'ny banga lehibe no fihaviny, ka avy ao amin'ny voarava no imaonany.[Na: Raha mbola miezinezina, dia mimaona izy] |
15 |
Voatodika hamely ahy ny fampitahorana: Manenjika ny voninahitro tahaka ny rivotra izy, ka levona tahaka ny rahona ny famonjena ahy |
16 |
Ary ankehitriny, raraka ato anatiko ny fanahiko. Fenjàn'ny andro fahoriana aho. |
17 |
Ny alina mampahalò ny taolako ho afaka amiko, ary tsy mitsahatra ireo manotahota ahy ireo.[Heb. manindrona] |
18 |
Noho ny haben'ny hery dia tonga tsy antonona ny akanjoko, manenda ahy tahaka ny vozon-dobaka izany. |
19 |
Eny, nanary ahy teo amin'ny fotaka Izy, ka efa tahaka ny vovoka sy ny lavenona aho |
20 |
Mitaraina aminao aho, nefa tsy mihaino ahy Hianao; Mijoro eo aho, nefa ierenao foana. |
21 |
Efa manjary lozabe amiko Hianao; Ny herin'ny tananao no andrafianao ahy. |
22 |
Aingainao ho eny amin'ny rivotra aho ka alefanao handeha, ary levoninao amin'ny tafio-drivotra mifofofofo ho tsinontsinona aho. |
23 |
Fa fantatro fa hampodinao any amin'ny fahafatesana aho, dia any amin'ny trano fivorian'ny olombelona rehetra. |
24 |
Kanefa tsy manainga ny tànany va ny olona, raha ianjeran'ny rava? Ary tsy mitaraina va izy, raha tratry ny loza? [Na: raha mila ho potraka izy] |
25 |
Tsy nitomany ny ory va aho? Tsy nangorakoraka ny malahelo va ny fanahiko? |
26 |
Fa niandry ny soa aho, kanjo tonga ny ratsy; Ary nanantena ny mazava aho, kanjo avy ny maizina. |
27 |
Nandevilevy ny tsinaiko ka tsy nanam-pitsaharana; Nitsena ahy ny andro fahoriana. |
28 |
Mitsaitsaika mitafy lamba fisaonana aho sady tsy mahita masoandro; Mitsangana aho ka mitaraina eo ampivorian'ny olona.[Na: Efa mainty aho, fa tsy avy amin'ny hain'andro] |
29 |
Rahalahin'ny amboadia aho Ary naman'ny ostritsa.[Na: jakala] |
30 |
Efa mainty ny hoditro sady miendakendaka, ary efa karankaina noho ny hafanana ny taolako.[Heb. fahamainana]Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko. |
31 |
Nanjary fisaonana ny lokangako. Ary feon'ny mitomany ny sodiko.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |