1 |
Fa misy tany fihadiana volafotsy, ary misy tany fahazoana volamena, izay diovina. |
2 |
Ny vy dia alaina avy amin'ny tany, ary ny varahina arendrika avy amin'ny vato. |
3 |
Ny mpihady vola mampisava ny maizina ka mizaha hatramin'ny faran'ny zavatra rehetra ao, dia ny vaton'ny aizim-pito sy ny aloky ny fahafatesana; |
4 |
Mihady lavaka mihalavitra amin'izay itoeran'olona izy ka tsy ampoizin'ny tongotra akory, ary mihantona sy mitsingevaheva any ambany lavitra ny olona izy. |
5 |
Ny tany no ihavian'ny hanina; Ary ny ao ambaniny dia avadika tahaka ny afo. |
6 |
Fitoeran'ny safira ny vatony, ary misy akoram-bolamena ao aminy |
7 |
Làlana tsy fantatry ny vorona mpihaza ary tsy hitan'ny mason'ny voromahery, |
8 |
Sady tsy nodiavin'ny zanaky ny bibi-dia ary tsy mba nalehan'ny liona masiaka. |
9 |
Maninjitra ny tànany amin'ny vatokaranana ireo ary mamadika ny tendrombohitra hatramin'ny fotony; |
10 |
Ny vatolampy tatahany hatao lalan-drano, ary izay zava-tsoa rehetra dia hitan'ny masony avokoa. |
11 |
Tampenany ny lalan-drano mba tsy hisy mitete. Ary izay zava-miafina dia avoakany ho amin'ny mazava. |
12 |
Fa aiza kosa no hahitana ny fahendrena? ary aiza no fitoeran'ny fahalalana? |
13 |
Tsy misy zanak'olombelona mahalala ny vidiny, ary tsy hita eo amin'ny tanin'ny velona izy. |
14 |
Hoy ny lalina: Tsy ato anatiko izy; Ary, tsy ato amiko izy, hoy ny ranomasina. |
15 |
Ny volamena tsara tsy mahatakalo azy, ary ny volafotsy tsy azo lanjaina ho vidiny; |
16 |
Ny volamena avy any Ofira tsy ampy ho tombany, na ny beryla saro-bidy sy ny safira aza. |
17 |
Ny volamena sy ny fitaratra tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy azo takalozana firavaka tena volamena izy. |
18 |
Tsy tokony hotsaroana akory ny voahangy sy ny vato krystaly, fa ny fahazoana fahendrena dia mihoatra noho ny voahangy. |
19 |
Ny topaza avy any Etiopia dia tsy azo ampitahaina aminy, ary tsy mahatakalo azy ny tena volamena tsara |
20 |
Dia avy aiza ary ny fahendrena? Ary aiza no fitoeran'ny fahalalana? |
21 |
Miafina amin'ny mason'ny velona rehetra izany ary takona amin'ny voro-manidina. |
22 |
Hoy Abadona sy Ifahafatesana: Ny sofinay ihany no nandrenesany ny filazana azy.[Abadona = Fandringanana] |
23 |
Andriamanitra ihany no mahalala ny lalana ho any aminy, ary Izy no mahafantatra ny itoerany; |
24 |
Fa Izy no mitsinjo hatramin'ny faran'ny tany ary mahatazana manerana izao ambanin'ny lanitra rehetra izao, |
25 |
Ka manendry ny lanjan'ny rivotra ary mamatra ny rano amin'ny famarana. |
26 |
Raha nanao lalana ho an'ny ranonorana Izy sy lalana halehan'ny helatry ny kotrokorana, |
27 |
Dia nahita ka nanambara azy Izy; Eny, nanorina azy Izy sady namantatra azy;Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana. |
28 |
Dia hoy Izy tamin'ny olona: Indro, ny fahatahorana ny Tompo no fahendrena. Ary ny fialàna amin'ny ratsy no fahalalana.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Joba 28:1 |
Joba 28:2 |
Joba 28:3 |
Joba 28:4 |
Joba 28:5 |
Joba 28:6 |
Joba 28:7 |
Joba 28:8 |
Joba 28:9 |
Joba 28:10 |
Joba 28:11 |
Joba 28:12 |
Joba 28:13 |
Joba 28:14 |
Joba 28:15 |
Joba 28:16 |
Joba 28:17 |
Joba 28:18 |
Joba 28:19 |
Joba 28:20 |
Joba 28:21 |
Joba 28:22 |
Joba 28:23 |
Joba 28:24 |
Joba 28:25 |
Joba 28:26 |
Joba 28:27 |
Joba 28:28 |
|
|
|
|
|
|
Joba 1 / Joba 1 |
Joba 2 / Joba 2 |
Joba 3 / Joba 3 |
Joba 4 / Joba 4 |
Joba 5 / Joba 5 |
Joba 6 / Joba 6 |
Joba 7 / Joba 7 |
Joba 8 / Joba 8 |
Joba 9 / Joba 9 |
Joba 10 / Joba 10 |
Joba 11 / Joba 11 |
Joba 12 / Joba 12 |
Joba 13 / Joba 13 |
Joba 14 / Joba 14 |
Joba 15 / Joba 15 |
Joba 16 / Joba 16 |
Joba 17 / Joba 17 |
Joba 18 / Joba 18 |
Joba 19 / Joba 19 |
Joba 20 / Joba 20 |
Joba 21 / Joba 21 |
Joba 22 / Joba 22 |
Joba 23 / Joba 23 |
Joba 24 / Joba 24 |
Joba 25 / Joba 25 |
Joba 26 / Joba 26 |
Joba 27 / Joba 27 |
Joba 28 / Joba 28 |
Joba 29 / Joba 29 |
Joba 30 / Joba 30 |
Joba 31 / Joba 31 |
Joba 32 / Joba 32 |
Joba 33 / Joba 33 |
Joba 34 / Joba 34 |
Joba 35 / Joba 35 |
Joba 36 / Joba 36 |
Joba 37 / Joba 37 |
Joba 38 / Joba 38 |
Joba 39 / Joba 39 |
Joba 40 / Joba 40 |
Joba 41 / Joba 41 |
Joba 42 / Joba 42 |