1 |
[Ny teny navalin'i Joba] Dia namaly Joba ka nanao hoe: |
2 |
Endrey! nanohana ny tsy manan-kery ianao sy nampahatanjaka ny sandry malemy! |
3 |
Ary nanolo-tsaina ny tsy hendry sy nampahafantatra izay fahendrena betsaka! |
4 |
Iza no nandaharanao teny? Ary fanahin'izay no nivoaka avy tao aminao? |
5 |
Ny matoatoa dia ampanaintainina Any ambanin'ny rano sy any ambanin'ny mponina any. |
6 |
Ny fiainan-tsi-hita miharihary eo anatrehany, ary ny fandringanana dia tsy mirakotra.[Heb. Sheola] |
7 |
Mamelatra ny lanitra avaratra ho eny ambonin'ny habakabaka Izy ary manantona ny tany amin'ny tsy misy. |
8 |
Fonosiny amin'ireo rahony matevina ny rano, nefa ny fanambanin'ny rahona tsy mety triatra. |
9 |
Manakona ny seza fiandrianany tsy ho hitantsika Izy amin'ny amelarany ny rahony hanarona azy. |
10 |
Asiany faritra manodidina eny ambonin'ny rano. Hatramin'izay ihaonan'ny mazava sy ny maizina. |
11 |
Ny andrin'ny lanitra nihozongozona sady ankona amin'ny teny mafy ataony. |
12 |
Ny heriny no entiny mampanonja ny ranomasina, ary ny fahendreny no anorotoroany an-dRahaba; [Izahao ix. 13] |
13 |
Ny fanahiny no mahatsara tarehy ny lanitra; Ny tànany no nitomboka ny menarana mandositra.Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany? |
14 |
Indro, ireny dia vao ny sisintsisin'ny alehany ihany aza, ary siosion-teny mamelovelo no andrenesantsika Azy; Fa raha ny fikotrokotroky ny heriny, iza moa no mahatakatra izany?
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |