1 |
[Ny teny fanintelony nataon'i Elifaza] Dia namaly Elifaza Temanita ka nanao hoe: |
2 |
Mahasoa an'Andriamanitra va ny olona? Tsia, fa mahasoa ny tenany ihany ny olon-kendry. |
3 |
Mampaninona ny Tsitoha moa, raha marina ianao, sa misy tombony ho Azy, raha ataonao tsy misy diso ny alehanao? |
4 |
Moa ny fahatahoranao Azy va no ananarany anao, sy ifanatrehany aminao amin'ny fitsarana? |
5 |
Tsy be va ny faharatsianao, sady tsy hita isa ny helokao? |
6 |
Fa efa naka tsatòka tsy ahoan-tsy ahoana tamin'ny rahalahinao ianao ka nanendaka ny akanjon'ny mahantra.[Heb. mitanjaka] |
7 |
Tsy nanome rano hosotroin'ny mangetaheta ianao sady tsy nahafoy hanina ho an'ny noana. |
8 |
Fa ny olona sandriana ihany no nanana ny tany; Ary ny manan-kaja ihany no nitoetra teo. |
9 |
Efa nampialainao maina ny mpitondratena. Ary tapahina ny sandrin'ny kamboty. |
10 |
Koa noho izany dia misy fandrika manodidina anao, ary ny fahatahorana dia mampihorohoro anao tampoka; |
11 |
Moa tsy ianao va ny maizina Sy ny rano mandriaka mandifotra anao? |
12 |
Tsy avo tahaka ny lanitra va Andriamanitra? Jereo ny hahavon'ny kintana, endrey ny hahavony! |
13 |
Nefa hoy ianao: Ataon'Andriamanitra ahoana no fahafantatra? Mahay mitsara ary ankoatry ny rahona maizina va Izy? |
14 |
Ny rahona matevina manakona Azy, ka tsy mahita Izy; Ary mandehandeha eny amin'ny lanitra Izy. |
15 |
Moa hizotra amin'ny lalana izay nalehan'ny olona fahagola va ianao? Dia ilay nalehan'ny olona ratsy fanahy. |
16 |
Izay nesorina alohan'ny androny, ka nindaosin'ny riaka ny fanorenany, |
17 |
Dia ireo izay manao tamin'Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Ary inona no azon'ny Tsitoha atao ho anay? [Heb. azy] |
18 |
Kanefa Izy no efa nameno zava-tsoa ny tranony ho lavitra ahy anie ny fisainan'ny ratsy fanahy! |
19 |
Ny marina mahita ka mifaly, Ary ny tsy manan-tsiny mihomehy ireny hoe: |
20 |
Marina tokoa fa efa rava ny fahavalontsika, ary ny hareny betsaka efa levon'ny afo. |
21 |
Mifankazara amin'ny Tsitoha ianao, dia hiadana; Izany no hahatongavan'ny soa aminao. |
22 |
Masìna ianao, mandraisa fampianarana avy amin'ny vavany, ary alatsaho ao am-ponao ny teniny. |
23 |
Raha miverina aminy ianao, dia haorina tsara, eny, raha ampanalavirinao ny lainao ny heloka. |
24 |
Ario eny amin'ny vovoka ny akoram-bolamena sy ny akoram-bolafotsy, eny, ario eny amin'ny vato eny an-dohasahan-driaka ny volamena avy any Ofira; |
25 |
Fa ny Tsitoha no ho akoram-bolamenanao sy akoram-bolafotsinao, Ary ho volafotsy mamirapiratra ho anao.[Na tsara, na azo amin'ny fisasarana] |
26 |
Fa amin'izany dia hiravoravo amin'ny Tsitoha ianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. |
27 |
Raha mifona aminy ianao, dia hihaino anao Izy; Ary ny voadinao dia hefainao. |
28 |
Ary raha misy kasainao hatao, dia hotanterahina aminao, ary hamirapiratra amin'ny lalanao ny mazava. |
29 |
Raha misy mietry, dia hataonao hoe: Misandrata; fa ny manetry tena hovonjeny.[Na: Raha mietry izy]Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy. |
30 |
Hanafaka ny olona meloka Izy, eny, ny fahadiovan'ny tananao no hamonjena azy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |