1 |
[Ny teny fanindroany nataon'i Zofara] Dia namaly Zofara Namatita ka nanao hoe: |
2 |
Noho izany dia mamaly ahy ny eritreritro, eny, noho ny fihetsiketsiky ny saiko.[Na: Ary izany no mahatonga] |
3 |
Reko lalandava ny anatra mampahamenatra ahy; Ary ny fanahiko mamaly ahy avy amin'ny fahalalako. |
4 |
Tsy fantatrao va fa hatramin'ny ela, eny, hatrizay nampitoerana ny olona tetỳ ambonin'ny tany, |
5 |
Dia vetivety foana ny firavoravoan'ny ratsy fanahy, ary indray mipi-maso monja ny fifalian'ny mpihatsaravelatsihy?44 |
6 |
Fa na dia mipaka amin'ny lanitra aza ny hahavony, ka mitehika amin'ny rahona ny lohany, |
7 |
Dia ho very mandrakizay toy ny dikiny ihany izy; Izay nahita azy dia hanao hoe: Aiza izy?[Na: ny tain'omby atainy] |
8 |
Manidina tahaka ny nofy izy ka tsy ho hita; Eny, ampandosirina tahaka ny tsindrimandry amin'ny alina izy. |
9 |
Ny maso izay mijery, dia indray mitopy ihany no ahitany azy; Ary dia tsy hahita azy intsony ny fitoerany. |
10 |
Ny zanany hitambitamby amin'ny malahelo, ary ny tànany ihany no hampody ny hareny. |
11 |
Ny taolany dia feno ny herin'ny fahatanorana, Nefa hiara-mandry aminy eo amin'ny vovoka izany.[Na: ota tsy fantatra] |
12 |
Na dia mamy ao am-bavany aza ny ratsy, ka afeniny ao ambanin'ny lelany, |
13 |
Ary tsitsiny ka tsy foiny, fa tehiriziny ao amin'ny lanilaniny ihany, |
14 |
Dia miova ny haniny ao an-kibony, ka aferon'ny vipera no ao anatiny. |
15 |
Harena no nateliny, nefa aloany indray; Loaran'Andriamanitra hiala ao an-kibony izany. |
16 |
Ny poizin'ny vipera no hotsentsefiny; Hahafaty azy ny lelan'ny menarana. |
17 |
Tsy ho faly mahita renirano izy, dia ony sy riaky ny tantely sy ronono. |
18 |
Tsy azony atelina izay nikelezany aina, fa tsy maintsy hampodiny; Na dia be aza ny hareny, dia tsy ho araka izany ny hafaliany. |
19 |
Fa nampahory sy nahafoy ny reraka izy ka naka trano an-keriny, fa tsy hahatontosa azy. |
20 |
Satria tsy mahalala mionona ny kibony, dia tsy hahavonjy ny tenany mbamin'ny tiany indrindra izy. |
21 |
Tsy misy tsy tratry ny fieremany; Ka dia tsy haharitra ny fiadanany. |
22 |
Ho poriporitra izy, na dia mihoa-pampana aza ny fananany; Ny tanan'ny ory no hamely azy. |
23 |
Halefan'Andriamanitra ny fahatezerany mirehitra hameno ny kibony; Eny, halatsany aminy toy ny ranonorana izany ho hanina ho azy. |
24 |
Raha mandositra ny vy fiadiana izy, dia hahavoa azy miboroaka ny tsipìka varahina; |
25 |
Tsoahany izany, ka mivoaka avy amin'ny tenany; Eny, ny manelatselatra dia mivoaka avy amin'ny aferony; Lasa izy azon'ny fahatahorana mafy. |
26 |
Ny aizim-pito no voarakitra ho amin'ny raki-malalany; Afo tsy tsofina no handoro azy sady handevona izay sisa ao amin'ny lainy. |
27 |
Hambaran'ny lanitra ny helony, Ary ny tany hitsangana hiampanga azy, |
28 |
Ho lasa ny harena tafiditra ao an-tranony; Eny, ho levona izany amin'ny andro fahatezerany.Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy. |
29 |
Izany no anjaran'ny ratsy fanahy avy amin'Andriamanitra, sy lova voatendrin'Andriamanitra ho azy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |