1 |
Maharikoriko ahy ny aiko; Hamoaka ny fitarainako aho sy hiteny noho ny fangidian'ny fanahiko |
2 |
Hanao amin'Andriamanitra hoe aho: Aza manameloka ahy; Mba ampahalalao izay anton'ny iadianao amiko aho. |
3 |
Mahafaly Anao va ny hampahory sy hanary ny efa nisasaranao ka hamirapiratra amin'ny fisainan'ny ratsy fanahy? |
4 |
Manana maso nofo va Hianao? Na mijery tahaka ny fijerin'ny zanak'olombelona? |
5 |
Tahaka ny andron'ny zanak'olombelona va ny andronao? Na tahaka ny taonan'ny olombelona ny taonanao, |
6 |
No dia mikaroka izay heloko Hianao sy mikatsaka izay fahotako, |
7 |
Na dia fantatrao aza fa tsy mba ratsy fanahy aho, ary tsy misy mahavonjy amin'ny tananao? |
8 |
Ny tananao ihany no namorona ahy ka nanisy endrika izao tenako rehetra izao, kanjo levoninao indray aho izao. |
9 |
Masina Hianao, tsarovy fa notefenao toy ny tanimanga aho, ka hamerina ahy amin'ny vovoka indray Hianao! |
10 |
Tsy naidinao toy ny ronono va aho ka nampandrinao toy ny ronono-mandry? |
11 |
Eny, notafianao hoditra sy nofo aho ary norarinao tamin'ny taolana sy ny ozatra. |
12 |
Aina sy famindram-po no nomenao ahy; Ary ny fiahianao no niaro ny aiko. |
13 |
Saingy izao no nafeninao tao am-ponao, eny, fantatro fa tao aminao izao: |
14 |
Raha manota aho, dia mamantatra ahy Hianao ka tsy manafaka ahy amin'ny heloko. |
15 |
Raha meloka aho, dia lozako! Ary na dia marina aza aho, dia tsy ho sahy miandrandra, satria feno henatra sady mahatsiaro fahoriana aho. |
16 |
Fa raha sahy miandrandra aho, dia hihaza ahy tahaka ny liona masiaka Hianao; Ary hiverina indray Hianao, ka ho mahagaga ny famelinao ahy. |
17 |
Mbola hanangana vavolombelona vaovao mandrakariva hanameloka ahy Hianao sy hampitombo ny fahatezeranao amiko; Fahavalo mifanontona no mamely ahy. |
18 |
Ka nahoana no namoaka ahy foana avy tany am-bohoka Hianao? Fa raha tsy izany, dia ho niala aina aho, ka tsy mba nisy maso nahita ahy akory. |
19 |
Ary efa toy ny tsy ary aho. Ka nentina avy tany an-kibo ho any am-pasana. |
20 |
Tsy vitsy va ny androko? Koa mitsahara Hianao, mihataha mba hakako aina kely, |
21 |
Dieny tsy mbola lasa tsy hiverina aho, dia ho any amin'ny tanin'ny aizina sy ny aloky ny fahafatesana,Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any. |
22 |
Ho any amin'ny tany maizim-pito, dia ny an'ny aloky ny fahafatesana sy ny fikorontanana, sady maizim-pito ny famirapiratana any.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Joba 10:1 |
Joba 10:2 |
Joba 10:3 |
Joba 10:4 |
Joba 10:5 |
Joba 10:6 |
Joba 10:7 |
Joba 10:8 |
Joba 10:9 |
Joba 10:10 |
Joba 10:11 |
Joba 10:12 |
Joba 10:13 |
Joba 10:14 |
Joba 10:15 |
Joba 10:16 |
Joba 10:17 |
Joba 10:18 |
Joba 10:19 |
Joba 10:20 |
Joba 10:21 |
Joba 10:22 |
|
|
|
|
|
|
Joba 1 / Joba 1 |
Joba 2 / Joba 2 |
Joba 3 / Joba 3 |
Joba 4 / Joba 4 |
Joba 5 / Joba 5 |
Joba 6 / Joba 6 |
Joba 7 / Joba 7 |
Joba 8 / Joba 8 |
Joba 9 / Joba 9 |
Joba 10 / Joba 10 |
Joba 11 / Joba 11 |
Joba 12 / Joba 12 |
Joba 13 / Joba 13 |
Joba 14 / Joba 14 |
Joba 15 / Joba 15 |
Joba 16 / Joba 16 |
Joba 17 / Joba 17 |
Joba 18 / Joba 18 |
Joba 19 / Joba 19 |
Joba 20 / Joba 20 |
Joba 21 / Joba 21 |
Joba 22 / Joba 22 |
Joba 23 / Joba 23 |
Joba 24 / Joba 24 |
Joba 25 / Joba 25 |
Joba 26 / Joba 26 |
Joba 27 / Joba 27 |
Joba 28 / Joba 28 |
Joba 29 / Joba 29 |
Joba 30 / Joba 30 |
Joba 31 / Joba 31 |
Joba 32 / Joba 32 |
Joba 33 / Joba 33 |
Joba 34 / Joba 34 |
Joba 35 / Joba 35 |
Joba 36 / Joba 36 |
Joba 37 / Joba 37 |
Joba 38 / Joba 38 |
Joba 39 / Joba 39 |
Joba 40 / Joba 40 |
Joba 41 / Joba 41 |
Joba 42 / Joba 42 |