1 |
Ary nanao alitara varahina izy: roa-polo hakiho ny lavany, roa-polo hakiho koa ny sakany, ary folo hakiho ny hahavony. |
2 |
Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy: folo hakiho no halehiben'ny vavany, dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ranomasina] |
3 |
Ary teo ambanin'ny tavin-drano lehibe nisy sarin'omby manodidina azy, dia folo amin'ny iray hakiho manodidina. Roa andalana ny sarin'omby sady niara-natao an-idina tamin'ny tavin-drano. .[Heb. ranomasina] |
4 |
Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo: ny telo nanatrika ny avaratra ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ny tavin-drano lehibe dia teo amboniny, ary niady vody izy rehetra.[Heb. ranomasina] |
5 |
Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary mahalany telo arivo bata izy. |
6 |
Ary nanao tavin-drano folo koa izy hanasana, ny dimy nataony tamin'ny ankavanana, ary ny dimy tamin'ny ankavia; ary ny zavatra hatao fanatitra dorana dia nakobaka teo; fa ny tavin-drano lehibe kosa dia fisasan'ny mpisorona.[Heb. ranomasina] |
7 |
Ary nanao ny fanaovan-jiro volamena folo araka ny marika izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. |
8 |
Ary nanao latabatra folo koa izy, dia napetrany tao amin'ny tempoly, dimy teo amin'ny ankavanana, ary dimy teo amin'ny ankavia. Ary nanao lovia volamena zato famafazana izy. |
9 |
Ary nanao ny kianjan'ny mpisorona sy ny kianja lehibe sy ny lela-vavahadin'ny kianja izy, ary nopotehany takela-barahina ny lela-vavahady. |
10 |
Ary ny tavin-drano lehibe nataony tamin'ny ankavanana, dia teo amin'ny atsimo-atsinana.[Heb. ranomasina] |
11 |
Ary Hirama nanao ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Dia vitan'i Hirama ny asa izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'Andriamanitra: |
12 |
dia ny andry roa sy ny boriboriny sy ny kapitaliny izay teny an-tampon'ny andry roa sy ny harato roa hafono ny boriboriny roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy, |
13 |
ary ny sarin'ampongaben-danitra efa-jato ho amin'ny harato roa, sarin'ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boribory roa momba ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy; |
14 |
ary nanao ireo fitoeran-tavin-drano izy, ary ny tavin-drano nataony teo amin'ny fitoerany; |
15 |
ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ambaniny. [Heb. ranomasina] |
16 |
Ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny fitrebika ary ny fanaka rehetra momba azy dia nataon'i Hiram-aby ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah tamin'ny varahina manganohano.[Na: Ikaky Hirama] |
17 |
Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana. |
18 |
Toy izany no nanaovan'i Solomona ireo fanaka rehetra rehetra ireo; fa tsy nozahana Izay lanjan'ny varahina. |
19 |
Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay tao amin'ny tranon'Andriamanitra: ny alitara volamena sy ny latabatra fitoeran'ny mofo aseho, |
20 |
ary ny fanaovan-jiro sy ny lela fanaovan-jirony mba hampirehetina eo noloan'ny efitra anatiny araka ny fanao dia samy volamena tsara; |
21 |
ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia samy volamena tsara indrindra avokoa;ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa. |
22 |
ary ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia samy volamena tsara; ary ny lela-varavarana teo anatin'ny trano, dia ny mankao amin'ny fitoerana masina indrindra, sy ny lela-varavarana ho amin'ny ati-trano lehibe dia samy volamena avokoa.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Tantara 4:1 |
2 Tantara 4:2 |
2 Tantara 4:3 |
2 Tantara 4:4 |
2 Tantara 4:5 |
2 Tantara 4:6 |
2 Tantara 4:7 |
2 Tantara 4:8 |
2 Tantara 4:9 |
2 Tantara 4:10 |
2 Tantara 4:11 |
2 Tantara 4:12 |
2 Tantara 4:13 |
2 Tantara 4:14 |
2 Tantara 4:15 |
2 Tantara 4:16 |
2 Tantara 4:17 |
2 Tantara 4:18 |
2 Tantara 4:19 |
2 Tantara 4:20 |
2 Tantara 4:21 |
2 Tantara 4:22 |
|
|
|
|
|
|
2 Tantara 1 / 2Ta 1 |
2 Tantara 2 / 2Ta 2 |
2 Tantara 3 / 2Ta 3 |
2 Tantara 4 / 2Ta 4 |
2 Tantara 5 / 2Ta 5 |
2 Tantara 6 / 2Ta 6 |
2 Tantara 7 / 2Ta 7 |
2 Tantara 8 / 2Ta 8 |
2 Tantara 9 / 2Ta 9 |
2 Tantara 10 / 2Ta 10 |
2 Tantara 11 / 2Ta 11 |
2 Tantara 12 / 2Ta 12 |
2 Tantara 13 / 2Ta 13 |
2 Tantara 14 / 2Ta 14 |
2 Tantara 15 / 2Ta 15 |
2 Tantara 16 / 2Ta 16 |
2 Tantara 17 / 2Ta 17 |
2 Tantara 18 / 2Ta 18 |
2 Tantara 19 / 2Ta 19 |
2 Tantara 20 / 2Ta 20 |
2 Tantara 21 / 2Ta 21 |
2 Tantara 22 / 2Ta 22 |
2 Tantara 23 / 2Ta 23 |
2 Tantara 24 / 2Ta 24 |
2 Tantara 25 / 2Ta 25 |
2 Tantara 26 / 2Ta 26 |
2 Tantara 27 / 2Ta 27 |
2 Tantara 28 / 2Ta 28 |
2 Tantara 29 / 2Ta 29 |
2 Tantara 30 / 2Ta 30 |
2 Tantara 31 / 2Ta 31 |
2 Tantara 32 / 2Ta 32 |
2 Tantara 33 / 2Ta 33 |
2 Tantara 34 / 2Ta 34 |
2 Tantara 35 / 2Ta 35 |
2 Tantara 36 / 2Ta 36 |