1 |
[Ny nanaovana ny tempoly sy ny fanaka momba azy] Ary Solomona nanomboka nanao ny tranon'i Jehovah tany Jerosalema, tao an-tendrombohitra Moria, ilay nisehoan'i Jehovah tamin'i Davida rainy, dia ilay namboarina teo amin'ny fitoerana nofidin'i Davida teo amin'ny famoloan'i Araona Jebosita. |
2 |
Ary nanomboka nanao ny trano izy tamin'ny andro faharoa tamin'ny volana faharoa tamin'ny taona fahefatra nanjakany. |
3 |
Ary toy izao no nanorenan'i Solomona ny tranon'Andriamanitra: Ny lavany, raha araka ny hakiho taloha, dia enim-polo hakiho, ary ny sakany roa-polo hakiho. |
4 |
Ary ny amin'ny lavarangana fidirana izay teo anoloany, ny lavany dia roa-polo hakiho, dia araka ny sakan'ny trano ihany, ary ny hahavony dia roa-polo amby zato hakiho; ary nopetahany takela-bolamena tsara ny ao anatiny. |
5 |
Ary ny ati-trano lehibe nopetahany hazo kypreso, dia vao nopetahany takela-bolamena tsara ireo ary noravahany hazo rofia sy tongalika. [palma] |
6 |
Ary noravahany vato soa koa ny trano; ary ny volamena dia volamena avy any Parvaima. |
7 |
Ary nopetahany takela-bolamena ny trano, dia ny rairainy sy ny tokonany sy ny rindriny ary ny lela-varavarany; ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima ny rindrina. |
8 |
Ary nanao ny efi-trano masina indrindra izy: ny lavany dia roa-polo hakiho mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary roa-polo hakiho koa ny sakany; ary nopetahany takela-bolamena tsara talenta enin-jato izy |
9 |
Ary ny lanjan'ny hombo volamena dia sekely dimam-polo. Ary ny efi-trano ambony nopetahany volamena koa. |
10 |
Ary tao amin'ny efi-trano masina indrindra dia nasiany sarin'ny kerobima roa, ary nosokiriny no nanaovany azy, dia nopetahany takela-bolamena. |
11 |
Ny halavan'ny elatry ny kerobima dia roa-polo hakiho: ny elatry ny anankiray dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray; |
12 |
ary ny elatry ny kerobima anankiray koa dia dimy hakiho, mipaka amin'ny rindrina; ary ny elany iray koa dimy hakiho sady mifanendry amin'ny elatry ny kerobima anankiray. |
13 |
Nivelatra ny elatr'ireo kerobima Ireo. ka roa-polo hakiho ny halavany; nijoro tamin'ny tongony, tarehiny nanatrika ny trano. |
14 |
Ary izy nanao ny efitra lamba tamin'ny manga sy volomparasy sy jaky sy rongony fotsy madinika; ary nataony sarin'ny kerobima ny sorany. |
15 |
Ary nanao andry roa teo anoloan'ny trano izy; dimy amby telo-polo hakiho ny hahavony, ary ny kapitaly teo an-tampony dia dimy hakiho ary. |
16 |
Ary nanao tongalika tao amin'ny efitra anatiny izy, ka nataony teo an-tampon'ny andry ireo; ary nanao sarin'apongaben-danitra zato izy, ka nataony teo amin'ny tongalika ireo.Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)] |
17 |
Ary ny andry natsangany teo anoloan'ny tempoly, ny iray tamin'ny ankavanana, ary ny iray tamin'ny ankavia; ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavanana nanao ny hoe Jakina, ary ny anaran'ny teo amin'ny ankavia kosa natao hoe Boaza.[Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Tantara 3:1 |
2 Tantara 3:2 |
2 Tantara 3:3 |
2 Tantara 3:4 |
2 Tantara 3:5 |
2 Tantara 3:6 |
2 Tantara 3:7 |
2 Tantara 3:8 |
2 Tantara 3:9 |
2 Tantara 3:10 |
2 Tantara 3:11 |
2 Tantara 3:12 |
2 Tantara 3:13 |
2 Tantara 3:14 |
2 Tantara 3:15 |
2 Tantara 3:16 |
2 Tantara 3:17 |
|
|
|
|
|
|
2 Tantara 1 / 2Ta 1 |
2 Tantara 2 / 2Ta 2 |
2 Tantara 3 / 2Ta 3 |
2 Tantara 4 / 2Ta 4 |
2 Tantara 5 / 2Ta 5 |
2 Tantara 6 / 2Ta 6 |
2 Tantara 7 / 2Ta 7 |
2 Tantara 8 / 2Ta 8 |
2 Tantara 9 / 2Ta 9 |
2 Tantara 10 / 2Ta 10 |
2 Tantara 11 / 2Ta 11 |
2 Tantara 12 / 2Ta 12 |
2 Tantara 13 / 2Ta 13 |
2 Tantara 14 / 2Ta 14 |
2 Tantara 15 / 2Ta 15 |
2 Tantara 16 / 2Ta 16 |
2 Tantara 17 / 2Ta 17 |
2 Tantara 18 / 2Ta 18 |
2 Tantara 19 / 2Ta 19 |
2 Tantara 20 / 2Ta 20 |
2 Tantara 21 / 2Ta 21 |
2 Tantara 22 / 2Ta 22 |
2 Tantara 23 / 2Ta 23 |
2 Tantara 24 / 2Ta 24 |
2 Tantara 25 / 2Ta 25 |
2 Tantara 26 / 2Ta 26 |
2 Tantara 27 / 2Ta 27 |
2 Tantara 28 / 2Ta 28 |
2 Tantara 29 / 2Ta 29 |
2 Tantara 30 / 2Ta 30 |
2 Tantara 31 / 2Ta 31 |
2 Tantara 32 / 2Ta 32 |
2 Tantara 33 / 2Ta 33 |
2 Tantara 34 / 2Ta 34 |
2 Tantara 35 / 2Ta 35 |
2 Tantara 36 / 2Ta 36 |