1 |
[Ny nanendrena an'i Solomona ho mpanjaka, sy ny nandaminana ny raharahan'ny Levita] Ary nony efa ela niainana sy tratrantitra tsara Davida, dia Solomona zanany no nataony mpanjaka tamin'ny Isiraely.[Heb. voky andro, na afa-pon'ny miaina] |
2 |
Ary novoriny ny lehiben'ny Isiraely rehetra mbamin'ny mpisorona sy ny Levita. |
3 |
Ary nisaina ny Levita hatramin'ny telo-polo taona no ho miakatra, ka valo arivo amby telo alina no isan'ny lehilahy. |
4 |
Ary hoy Davida: Ny efatra arivo amby roa alina amin'ireo dia ataoko ho tonian'ny asa ao an-tranon'i Jehovah, ary ny enina arivo ataoko mpifehy sy mpitsara, |
5 |
ary ny efatra arivo ho mpiandry varavarana, ary ny efatra arivo ho mpidera an'i Jehovah amin'ny zavatra namboariko hiderana Azy. |
6 |
Ary nozarazarain'i Davida ho antokony ireo araka ny zanakalahin'i Levy, dia Gersona sy Kehata sy Merary: |
7 |
Tamin'ny Gersonita dia Ladana sy Simey. |
8 |
Ny zanakalahin'i Ladana dia Jehiela lohany sy Zetama ary Joela; telo izy. |
9 |
Ny zanakalahin'i Simey dia Selomota sy Haziela ary Harana; telo izy. Ireo no lohany tamin'ny fianakavian'i Ladana. |
10 |
Ary ny zanakalahin'i Simey dia Jahata sy Zina sy Jeosy ary Beria; izy efa-dahy ireo no zanakalahin'i Simey. |
11 |
Ary Jahata no lohany, ary Ziza no faharoany; fa Jeosy sy Beria tsy nanana zanakalahy maro, ka dia nisaina ho fianakaviana iray sy antokony iray izy. |
12 |
Ny zanakalahin'i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; efatra izy. |
13 |
Ny zanakalahin'i Amrama dia Arona sy Mosesy. Ary Arona natokana ka nohamasinina ho masina indrindra, dia izy sy ny taranany mandrakizay, handoro ditin-kazo manitra eo anatrehan'i Jehovah sy hanao fanompoam-pivavahana ho Azy ary hitso-drano amin'ny anarany mandrakizay. |
14 |
Nefa ny amin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, dia nisaina tamin'ny firenen'i Levy ihany ny zanany. |
15 |
Ny zanakalahin'i Mosesy dia Gersona sy Eliezera. |
16 |
Tamin'ny zanakalahin'i Gersona dia Seboela no lohany. |
17 |
Ary tamin'ny zanakalahin'i Eliezera dia Rehabia no lohany (Eliezera anefa tsy nanan-janaka hafa); fa ny zanak'i Rehabia dia maro indrindra. |
18 |
Tamin'ny zanakalahin'i Jizara dia Selomota no lohany. |
19 |
Ny zanakalahin'i Hebrona, dia Jeria no lahimatoa, Amaria no lahiaivo, Jahaziela no fahatelo, ary Jekameama no faralahy. |
20 |
Ny zanakalahin'i Oziela, dia Mita no lahimatoa, ary Jisia no faralahy. |
21 |
Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy. Ny zanakalahin'i Maly dia Eleazara sy Kisy. |
22 |
Ary maty Eleazara ka tsy nanan-janakalahy, fa vavy avokoa; ary ireny zanakalahin'i Kisy havany no nanambady ireo. |
23 |
Ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jeremota; telo izy. |
24 |
Ireo no zanakalahin'i Levy araka ny fianakaviany, dia ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny antokony avy araka ny nanisana ny anarany tsirairay, dia izay nanao ny fanompoana tao an-tranon'i Jehovah, hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra. |
25 |
Fa hoy Davida: Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, efa nanome fitsaharana ho an'ny olony sady mitoetra eto Jerosalema mandrakizay. |
26 |
Ary ny Levita kosa dia tsy hitondra ny tabernakely na ny fanaka enti-manompo ao aminy intsony. |
27 |
Fa araka ny fara-tenin'i Davida dia nisaina hatramin'ny roa-polo taona no ho miakatra ny Levita. |
28 |
Ary ny raharahany dia ny hanampy ny taranak'i Arona amin'ny fanompoana ao an-tranon'i Jehovah amin'ireo kianja sy efi-trano tao ary amin'ny fanadiovana ny zavatra masina rehetra sy ny fanompoana ao an-tranon'Andriamanitra, |
29 |
ary amin'ny mofo aseho sy ny koba tsara toto ho fanatitra hohanina sy amin'ny mofo manify tsy misy masirasira sy amin'izay endasina amin'ny lapoely sy amin'izay vonton-diloilo ary amin'ny famarana sy ny fandrefesana rehetra, |
30 |
ary ny hitsangana isa-maraina hisaotra sy hidera an'i Jehovah, ary toy izany koa amin'ny hariva, |
31 |
ary ny hanatitra ny fanatitra dorana rehetra ho an'i Jehovah na amin'ny Sabata, na amin'ny voaloham-bolana, na amin'ny fotoam-pivavahana hafa dia araka ny isany avy, sy araka ny fanao voatendry hanaovana azy mandrakariva eo anatrehan'i Jehovah.Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah. |
32 |
Aoka ho toy izany no hitandremany ny anjara-raharahany ny amin'ny trano-lay fihaonana sy ny anjara-raharahany ny amin'ny fitoerana masina ary ny anjara-raharahany ny amin'ny taranak'i Arona rahalahiny ho fanompoana ao an-tranon'i Jehovah.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |