1 |
[Ny soa nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana? |
2 |
Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy. |
3 |
Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy. |
4 |
Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara. |
5 |
Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara. |
6 |
Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao. |
7 |
Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. |
8 |
Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao? |
9 |
Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao. |
10 |
Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo. |
11 |
Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy. |
12 |
Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa. |
13 |
Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Samoela 9:1 |
2 Samoela 9:2 |
2 Samoela 9:3 |
2 Samoela 9:4 |
2 Samoela 9:5 |
2 Samoela 9:6 |
2 Samoela 9:7 |
2 Samoela 9:8 |
2 Samoela 9:9 |
2 Samoela 9:10 |
2 Samoela 9:11 |
2 Samoela 9:12 |
2 Samoela 9:13 |
|
|
|
|
|
|
2 Samoela 1 / 2Sam 1 |
2 Samoela 2 / 2Sam 2 |
2 Samoela 3 / 2Sam 3 |
2 Samoela 4 / 2Sam 4 |
2 Samoela 5 / 2Sam 5 |
2 Samoela 6 / 2Sam 6 |
2 Samoela 7 / 2Sam 7 |
2 Samoela 8 / 2Sam 8 |
2 Samoela 9 / 2Sam 9 |
2 Samoela 10 / 2Sam 10 |
2 Samoela 11 / 2Sam 11 |
2 Samoela 12 / 2Sam 12 |
2 Samoela 13 / 2Sam 13 |
2 Samoela 14 / 2Sam 14 |
2 Samoela 15 / 2Sam 15 |
2 Samoela 16 / 2Sam 16 |
2 Samoela 17 / 2Sam 17 |
2 Samoela 18 / 2Sam 18 |
2 Samoela 19 / 2Sam 19 |
2 Samoela 20 / 2Sam 20 |
2 Samoela 21 / 2Sam 21 |
2 Samoela 22 / 2Sam 22 |
2 Samoela 23 / 2Sam 23 |
2 Samoela 24 / 2Sam 24 |