1 |
[Ny nandresen'i Davida ny fahavalony] Ary nony afaka izany, dia nandresy ny Filistina Davida ka nampietry azy; ary ny fanapahana ny renivohitra dia nesorin'i Davida tamin'ny tanan'ny Filistina. |
2 |
Ary nandresy ny Moabita koa izy, dia nampandriny tamin'ny tany ireo ary nohariny tamin'ny kofehy, ka izay indroan'ny kofehy novonoiny, fa ny erany kosa novelominy; ka dia tonga mpanompon'i Davida ny Moabita ka nandoa hetra. |
3 |
Dia resin'i Davida koa Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba, tamin'izy lasa nampody ny fanjakany teo amoron'ny ony Eofrata. |
4 |
Ary Davida nahazo babo taminy, dia miaramila an-tsoavaly fiton-jato amby arivo sy miaramila an-tongotra roa alina; ary notraingotraingoin'i Davida avokoa ny soavalin-kalesy rehetra, fa ny tokony ho amin'ny kalesy zato ihany no navelany. |
5 |
Ary tonga ny Syriana avy tany Damaskosy hanampy an'i Hadadezera, mpanjakan'i Zoba; dia nahafatesan'i Davida olona roa arivo sy roa alina koa ny Syriana. |
6 |
Ary nametrahan'i Davida miaramila tany Syria momba an'i Damaskosy; dia tonga mpanompon'i Davida ny Syriana ka nandoa hetra. Fa Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. |
7 |
Ary nalain'i Davida ny ampinga volamena izay teny amin'ny mpanompon'i Hadadezera ka nentiny nankany Jerosalema. |
8 |
Ary teo Beta sy Berotahy, tanànan'i Hadadezera, no nahazoan'i Davida mpanjaka babo varahina be dia be. |
9 |
Ary nony ren'i Toy, mpanjakan'i Hamata, fa efa naharesy ny miaramilan'i Hadadezera rehetra Davida, |
10 |
dia nirahin'i Toy Jorama zanany hankany amin'i Davida mpanjaka hiarahaba azy sy hisaotra azy noho ny niadiany tamin'i Hadadezera sy ny nandreseny azy (fa Hadadezera dia fahavalon'i Toy); ary gorama nitondra fanaka volafotsy sy fanaka volamena ary fanaka varahina; |
11 |
dia nohamasinin'i Davida mpanjaka ho an'i Jehovah koa izany mbamin'ny volafotsy sy ny volamena izay nohamasininy avy tamin'ny firenena rehetra izay efa resiny, |
12 |
dia tamin'i Syria sy Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Filistina sy ny Amalekita ary ny babo azony tamin'i Hadadezera, zanak'i Rehoba, mpanjakan'i Zoba. |
13 |
Ary Davida nahazo laza nony niverina avy nandresy ny Syriana valo arivo sy iray alina teo amin'ny Lohasahan-tsira. |
14 |
Ary nametrahany miaramila tany Edoma; eny, nametrahany miaramila avokoa Edoma rehetra, ary ny mponina rehetra tany Edoma dia tonga mpanompon'i Davida. Ary Jehovah nampahery an'i Davida teny amin'izay rehetra nalehany. |
15 |
[Ny mpanao raharaham-panjakana tamin'i Davida] Ary Davida nanjaka tamin'ny Isiraely rehetra ka nitsara sy nitondra marina ny vahoakany rehetra. |
16 |
Ary Joaba, zanak'i Zeroia, no komandin'ny miaramila; ary Josafata, zanak'i Ahiloda, no mpitadidy ny raharaham-panjakana; |
17 |
ary Zadoka, zanak'i Ahitoba, sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, no mpisorona; ary Seraia no mpanoratra;ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona] |
18 |
ary Benaia, zanak'i Joiada, no mpifehy ny mpiambina andriana; ary ny zanak'i Davida no mpanolo-tsaina. [Heb. Kerenita sy Peletita][Na: mpisorona]
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
2 Samoela 8:1 |
2 Samoela 8:2 |
2 Samoela 8:3 |
2 Samoela 8:4 |
2 Samoela 8:5 |
2 Samoela 8:6 |
2 Samoela 8:7 |
2 Samoela 8:8 |
2 Samoela 8:9 |
2 Samoela 8:10 |
2 Samoela 8:11 |
2 Samoela 8:12 |
2 Samoela 8:13 |
2 Samoela 8:14 |
2 Samoela 8:15 |
2 Samoela 8:16 |
2 Samoela 8:17 |
2 Samoela 8:18 |
|
|
|
|
|
|
2 Samoela 1 / 2Sam 1 |
2 Samoela 2 / 2Sam 2 |
2 Samoela 3 / 2Sam 3 |
2 Samoela 4 / 2Sam 4 |
2 Samoela 5 / 2Sam 5 |
2 Samoela 6 / 2Sam 6 |
2 Samoela 7 / 2Sam 7 |
2 Samoela 8 / 2Sam 8 |
2 Samoela 9 / 2Sam 9 |
2 Samoela 10 / 2Sam 10 |
2 Samoela 11 / 2Sam 11 |
2 Samoela 12 / 2Sam 12 |
2 Samoela 13 / 2Sam 13 |
2 Samoela 14 / 2Sam 14 |
2 Samoela 15 / 2Sam 15 |
2 Samoela 16 / 2Sam 16 |
2 Samoela 17 / 2Sam 17 |
2 Samoela 18 / 2Sam 18 |
2 Samoela 19 / 2Sam 19 |
2 Samoela 20 / 2Sam 20 |
2 Samoela 21 / 2Sam 21 |
2 Samoela 22 / 2Sam 22 |
2 Samoela 23 / 2Sam 23 |
2 Samoela 24 / 2Sam 24 |