1 |
[Ny taranak'i Adama tamin'i Seta ka hatramin'i Noa] Ity no boky milaza ny taranak'i Adama: Tamin'ny andro namoronan'Andriamanitra ny olona dia tahaka ny tarehin'Andriamanitra no nanaovany azy; |
2 |
lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy. |
3 |
Ary rehefa telo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Adama, dia niteraka tahaka ny tarehiny, araka ny endriny izy; ary ny anarany nataony hoe Seta. |
4 |
Ary ny andron'i Adama taorian'ny niterahany an'i Seta dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
5 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Adama dia telo-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. |
6 |
Ary rehefa dimy amby zato taona ny andro niainan'i Seta, dia niteraka an'i Enosy izy. |
7 |
Ary ny andro niainan'i Seta taorian'ny niterahany an'i Enosy dia fito amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
8 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Seta dia roa ambin'ny folo amby sivin-jato taona; dia maty izy; |
9 |
Ary rehefa sivi-folo taona ny andro niainan'i Enosy, dia niteraka an'i Kenana izy. |
10 |
Ary ny andro niainan'i Enosy taorian'ny niterahany an'i Kenana dia dimy ambin'ny folo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy; |
11 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Enosy dia dimy amby sivin-jato taona; dia maty izy. |
12 |
Ary rehefa fito-polo taona ny andro niainan'i Kenana, dia niteraka an'i Mahalalila izy. |
13 |
Ary ny andro niainan'i Kenana taorian'ny niterahany an'i Mahalalila dia efa-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
14 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Kenana dia folo amby sivin-jato taona; dia maty izy. |
15 |
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Mahalalila, dia niteraka an'i Jareda izy. |
16 |
Ary ny andro niainan'i Mahalalila taorian'ny niterahany an'i Jareda dia telo-polo amby valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
17 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Mahalalila dia dimy amby sivi-folo amby valon-jato taona; dia maty izy. |
18 |
Ary rehefa roa amby enim-polo amby zato taona ny andro niainan'i Jareda dia niteraka an'1 Enoka izy. |
19 |
Ary ny andro niainan'i Jareda taorian'ny niterahany niterahany an'i Enoka dia valon-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
20 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Jareda dia roa amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. |
21 |
Ary rehefa dimy amby enim-polo taona ny andro niainan'i Enoka, dia niteraka an'i Metosela izy. |
22 |
Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra telon-jato taona Enoka taorian'ny niterahany an'i Metosela; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
23 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Enoka dia dimy amby enim-polo amby telon-jato taona. |
24 |
Ary niara-nandeha tamin'Andriamanitra Enoka; ka tsy hita izy, fa nentin'Andriamanitra. |
25 |
Ary rehefa fito amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Metosela, dia niteraka an'i Lameka izy. |
26 |
Ary ny andro niainan'i Metosela taorian'ny niterahany an'i Lameka dia roa amby valo-polo amby fiton-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
27 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Metosela dia sivy amby enim-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. |
28 |
Ary rehefa roa amby valo-polo amby zato taona ny andro niainan'i Lameka, dia niteraka zazalahy izy; |
29 |
ary ny anarany nataony hoe Noa, fa hoy izy: Ity no hampionona antsika amin'ny asantsika sy ny fisasaran'ny tanantsika noho ny tany izay voaozon'i Jehovah. |
30 |
Ary ny andro niainan'i Lameka taorian'ny niterahany an'i Noa dia dimy amby sivi-folo amby diman-jato taona; ary niteraka zazalahy sy zazavavy izy. |
31 |
Ary ny andro rehetra niainan'i Lameka dia fito amby fito-polo amby fiton-jato taona; dia maty izy.Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy. |
32 |
Ary rehefa diman-jato taona Noa, dia niteraka an'i Sema sy Hama ary Jafeta izy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |