1 |
Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan'izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin'i Josefa, raha nanao izay hahafantaran'ny rahalahiny azy izy. |
2 |
Dia nitomany mafy izy, ka ren'ny Egyptiana, ary ren'ny tao an-tranon'i Farao koa. |
3 |
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. |
4 |
Ary hoy Josefa tamin'ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atỳ Egypta. |
5 |
Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin'ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atỳ; fa hamonjy aina no nampandehanan'Andriamanitra ahy hialoha anareo atỳ. |
6 |
Fa roa taona izao no efa nisian'ny mosary teto amin'ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. |
7 |
Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin'ny tany, fa hamelona anareo amin'ny famonjena lehibe. |
8 |
Ary amin'izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atỳ, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain'i Farao, sy ho tompon'ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. |
9 |
Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin'ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin'i Josefa zanakao: Efa nataon'Andriamanitra ho tompon'i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatỳ amiko, fa aza mijanona; |
10 |
dia honina eo amin'ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman'osinao sy ny ombinao mbamin'izay rehetra anananao. |
11 |
Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. |
12 |
Ary, indro, hitan'ny masonareo sy ny mason'i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. |
13 |
Dia hambaranareo amin'ikaky ny voninahitro rehetra atỳ Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atỳ ikaky. |
14 |
Dia namihina ny vozon'i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin'ny vozony. |
15 |
Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. |
16 |
Ary re tao an-tranon'i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin'i Josefa; dia sitrak'i Farao sy ny mpanompony izany. |
17 |
Ary hoy Farao tamin'i Josefa: Lazao amin'ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin'ny bibinareo, ka mankanesa any amin'ny tany Kanana; |
18 |
ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atỳ amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin'ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin'ny tany ianareo. |
19 |
Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin'ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atỳ. |
20 |
Aza malahelo ny amin'ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin'ny tany Egypta rehetra. |
21 |
Ary nataon'ny zanak'Isiraely izany, ka dia nomen'i Josefa sariety izy, araka ny tenin'i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy. |
22 |
Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. |
23 |
Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an'ny rainy ho entiny eny an-dalana. |
24 |
Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo. |
25 |
Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin'i Jakoba rainy tany amin'ny tany Kanana. |
26 |
Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon'i Jakoba, fa tsy nino azy izy. |
27 |
Dia nolazain'izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain'i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain'i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin'i Jakoba rainyAry hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho. |
28 |
Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Genesisy 45:1 |
Genesisy 45:2 |
Genesisy 45:3 |
Genesisy 45:4 |
Genesisy 45:5 |
Genesisy 45:6 |
Genesisy 45:7 |
Genesisy 45:8 |
Genesisy 45:9 |
Genesisy 45:10 |
Genesisy 45:11 |
Genesisy 45:12 |
Genesisy 45:13 |
Genesisy 45:14 |
Genesisy 45:15 |
Genesisy 45:16 |
Genesisy 45:17 |
Genesisy 45:18 |
Genesisy 45:19 |
Genesisy 45:20 |
Genesisy 45:21 |
Genesisy 45:22 |
Genesisy 45:23 |
Genesisy 45:24 |
Genesisy 45:25 |
Genesisy 45:26 |
Genesisy 45:27 |
Genesisy 45:28 |
|
|
|
|
|
|
Genesisy 1 / Gen 1 |
Genesisy 2 / Gen 2 |
Genesisy 3 / Gen 3 |
Genesisy 4 / Gen 4 |
Genesisy 5 / Gen 5 |
Genesisy 6 / Gen 6 |
Genesisy 7 / Gen 7 |
Genesisy 8 / Gen 8 |
Genesisy 9 / Gen 9 |
Genesisy 10 / Gen 10 |
Genesisy 11 / Gen 11 |
Genesisy 12 / Gen 12 |
Genesisy 13 / Gen 13 |
Genesisy 14 / Gen 14 |
Genesisy 15 / Gen 15 |
Genesisy 16 / Gen 16 |
Genesisy 17 / Gen 17 |
Genesisy 18 / Gen 18 |
Genesisy 19 / Gen 19 |
Genesisy 20 / Gen 20 |
Genesisy 21 / Gen 21 |
Genesisy 22 / Gen 22 |
Genesisy 23 / Gen 23 |
Genesisy 24 / Gen 24 |
Genesisy 25 / Gen 25 |
Genesisy 26 / Gen 26 |
Genesisy 27 / Gen 27 |
Genesisy 28 / Gen 28 |
Genesisy 29 / Gen 29 |
Genesisy 30 / Gen 30 |
Genesisy 31 / Gen 31 |
Genesisy 32 / Gen 32 |
Genesisy 33 / Gen 33 |
Genesisy 34 / Gen 34 |
Genesisy 35 / Gen 35 |
Genesisy 36 / Gen 36 |
Genesisy 37 / Gen 37 |
Genesisy 38 / Gen 38 |
Genesisy 39 / Gen 39 |
Genesisy 40 / Gen 40 |
Genesisy 41 / Gen 41 |
Genesisy 42 / Gen 42 |
Genesisy 43 / Gen 43 |
Genesisy 44 / Gen 44 |
Genesisy 45 / Gen 45 |
Genesisy 46 / Gen 46 |
Genesisy 47 / Gen 47 |
Genesisy 48 / Gen 48 |
Genesisy 49 / Gen 49 |
Genesisy 50 / Gen 50 |