1 |
Ary Jakoba dia nanopy ny masony ka nahatazana fa indro tamy Esao, mitondra efa-jato lahy. Dia nozarazarainy ny zaza ho amin'i Lea sy Rahely ary ho amin'ny ankizivavy roa. |
2 |
Ary nataony loha-lalana ny ankizivavy roa sy ny zanany, ary Lea sy ny zanany nanarakaraka, ary Rahely sy Josefa no vodi-lalana. |
3 |
Ary Jakoba nandeha teo alohan'izy rehetra ka niankohoka impito tamin'ny tany mandra-pahatongany teo akaikin'ny rahalahiny. |
4 |
Dia nihazakazaka hitsena azy Esao, ary nisakambina ny tendany, dia namihina sy nanoroka azy; ary samy nitomany izy mirahalahy. |
5 |
Ary Esao nanopy ny masony ka nahita ny zaza amim-behivavy; dia hoy izy: Iza moa ireto miaraka aminao ireto? Ary hoy kosa Jakoba: Ny zaza izay nomen'Andriamanitra ny mpanomponao noho ny fahasoavany. |
6 |
Dia nanatona ny ankizivavy sy ny zanany ka niankohoka. |
7 |
Dia nanatona koa Lea sy ny zanany ka niankohoka; ary farany, dia nanatona koa Josefa sy Rahely ka niankohoka. |
8 |
Ary hoy Esao: Inona moa no hevitr'ireny antokony rehetra nifanena tamiko ireny? Ary hoy izy: Mba hahitako fitia eto imason'itompokolahy. |
9 |
Ary dia hoy Esao: Manam-be ihany aho, ry rahalahiko; aoka ihany ho anao ny anao. |
10 |
Ary hoy Jakoba: Trarantitra ianao, aza an'izany; raha mba mahita fitia eto imasonao aho, dia raiso amin'ny tanako ny zavatra nampanateriko; fa efa nahita ny tavanao aho tahaka ny mahita ny tavan'Andriamanitra, ary efa sitrakao aho. |
11 |
Trarantitra ianao, raiso re ny saotro izay nampanaterina ho anao; fa efa nanisy soa ahy Andriamanitra, ka manam-be aho. Dia nanery azy izy, ka dia noraisiny ihany ny zavatra. |
12 |
Ary hoy Esao: Aoka hiainga isika, ka handeha hialoha anao aho. |
13 |
Fa hoy Jakoba taminy: Fantatr'itompokolahy fa mbola osa ny zaza, sady ampianahany ny ondry aman'osy sy ny omby ato amiko; koa raha hokorodonina indray andro aza ireo, dia ho faty avokoa ny ondry aman'osy rehetra. |
14 |
Trarantitra ianao, aoka itompokolahy hialoha ny mpanompony; ary izaho handeha miadana araka izay dian'ny omby aman'ondry, izay ho eo alohako, sy ny dian'ny zaza, mandra-pahatongako any amin'itompokolahy any Seira. |
15 |
Ary hoy Esao: Masìna ianao, aoka ary mba hamelako hiaraka aminao ny olona izay momba ahy. Fa hoy Jakoba: Ahoana no anaovanao izany? Aoka hahita fitia eto imason'itompokolahy aho. |
16 |
Dia niverina androtrizay Esao tamin'ny lalany ho any Seira. |
17 |
Ary Jakoba nifindra nankany Sokota ka nanao trano ho azy ary nanao trano rantsan-kazo maromaro ho an'ny omby aman'ondriny; izany no nanaovana ny anaran'io tany io hoe Sokota. |
18 |
Ary Jakoba tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema, izay eo amin'ny tany Kanana, rehefa avy tany Mesopotamia izy; dia nitoby tandrifin'ny tanàna. |
19 |
Dia novidiny vola zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema, ny tany izay nanorenany ny lainy.Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany. |
20 |
Ary nanorina alitara teo izy, ka nataony hoe El-elohe-Isiraely ny anarany.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Genesisy 33:1 |
Genesisy 33:2 |
Genesisy 33:3 |
Genesisy 33:4 |
Genesisy 33:5 |
Genesisy 33:6 |
Genesisy 33:7 |
Genesisy 33:8 |
Genesisy 33:9 |
Genesisy 33:10 |
Genesisy 33:11 |
Genesisy 33:12 |
Genesisy 33:13 |
Genesisy 33:14 |
Genesisy 33:15 |
Genesisy 33:16 |
Genesisy 33:17 |
Genesisy 33:18 |
Genesisy 33:19 |
Genesisy 33:20 |
|
|
|
|
|
|
Genesisy 1 / Gen 1 |
Genesisy 2 / Gen 2 |
Genesisy 3 / Gen 3 |
Genesisy 4 / Gen 4 |
Genesisy 5 / Gen 5 |
Genesisy 6 / Gen 6 |
Genesisy 7 / Gen 7 |
Genesisy 8 / Gen 8 |
Genesisy 9 / Gen 9 |
Genesisy 10 / Gen 10 |
Genesisy 11 / Gen 11 |
Genesisy 12 / Gen 12 |
Genesisy 13 / Gen 13 |
Genesisy 14 / Gen 14 |
Genesisy 15 / Gen 15 |
Genesisy 16 / Gen 16 |
Genesisy 17 / Gen 17 |
Genesisy 18 / Gen 18 |
Genesisy 19 / Gen 19 |
Genesisy 20 / Gen 20 |
Genesisy 21 / Gen 21 |
Genesisy 22 / Gen 22 |
Genesisy 23 / Gen 23 |
Genesisy 24 / Gen 24 |
Genesisy 25 / Gen 25 |
Genesisy 26 / Gen 26 |
Genesisy 27 / Gen 27 |
Genesisy 28 / Gen 28 |
Genesisy 29 / Gen 29 |
Genesisy 30 / Gen 30 |
Genesisy 31 / Gen 31 |
Genesisy 32 / Gen 32 |
Genesisy 33 / Gen 33 |
Genesisy 34 / Gen 34 |
Genesisy 35 / Gen 35 |
Genesisy 36 / Gen 36 |
Genesisy 37 / Gen 37 |
Genesisy 38 / Gen 38 |
Genesisy 39 / Gen 39 |
Genesisy 40 / Gen 40 |
Genesisy 41 / Gen 41 |
Genesisy 42 / Gen 42 |
Genesisy 43 / Gen 43 |
Genesisy 44 / Gen 44 |
Genesisy 45 / Gen 45 |
Genesisy 46 / Gen 46 |
Genesisy 47 / Gen 47 |
Genesisy 48 / Gen 48 |
Genesisy 49 / Gen 49 |
Genesisy 50 / Gen 50 |