1 |
[Ny nahaterahan'Isimaela] Ary Saray, vadin'i Abrama, tsy mba niteraka; ary izy nanana mpanompovavy Egyptiana, Hagara no anarany. |
2 |
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Indro, efa tsy nanome zanaka ahy Jehovah; masìna ianao, mivadia amin'ny mpanompovaviko; angamba hahazo zaza aminy aho. Dia neken'i Abrama ny tenin'i Saray. |
3 |
Ary rehefa nonina folo taona teo amin'ny tany Kanana Abrama, dia nalain'i Saray, vadin'i Abrama, Hagara Egyptiana mpanompovaviny, ka nomeny an'i Abrama vadiny mba hovadiny. |
4 |
Dia nivady tamin'i Hagara izy, ka nanan'anaka ravehivavy; ary rehefa hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona ny tompovaviny. |
5 |
Ary hoy Saray tamin'i Abrama: Hanody anao anie ny fahoriako; fa efa nomeko ho andefimandrinao ny mpanompovaviko, ary nony hitany fa efa manan'anaka izy, dia nataony toy ny tsinontsinona aho; Jehovah anie hitsara ahy sy ianao. |
6 |
Ary hoy Abrama tamin'i Saray: Indro, eo an-tananao ihany ny mpanompovavinao; ataovy aminy izay sitraponao. Ary raha nampahorin'i Saray Hagara, dia nandositra ny tavany izy. |
7 |
Ary Ilay Anjelin'i Jehovah nahita azy teo anilan'ny loharano anankiray tany an-efitra, dia teo anilan'ilay loharano eo amin'ny lalana mankany Sora. |
8 |
Ary hoy Izy: Ry Hagara, andevovavin'i Saray, avy taiza ianao? Ary hankaiza? Ary hoy izy; Mandositra ny tavan'i Saray tompovaviko aho. |
9 |
Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Miverena any amin'ny tompovavinao ka miareta izay ataony aminao. |
10 |
Ary hoy koa Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Hataoko maro indrindra ny taranakao, ka tsy ho azo isaina izy noho ny hamaroany. |
11 |
Ary hoy indray Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Indro, manan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy, ary ny anarany hataonao hoe Isimaela, satria efa nihaino ny fahorianao Jehovah. |
12 |
Ary izy ho lehilahy toy ny boriki-dia; ny tànany hamely ny olona rehetra, ary ny tanan'ny olona rehetra kosa hamely azy; ary honina eo tandrifin'ny rahalahiny rehetra izy. |
13 |
Ary Hagara nanao ny anaran'i Jehovah, Izay niteny taminy hoe: Hianao no Andriamanitra Izay mahita; fa hoy izy: Tsy teto va no mbola velona aho aorian'ny fahitana? |
14 |
Izany no nanaovana ny lavaka fantsakana hoe: Bera-lahai-roy; indro, eo anelanelan'i Kadesy sy Bareda izany. |
15 |
Ary Hagara dia niteraka zazalahy tamin'i Abrama; ary ny anaran'ny zanany izay naterany dia nataon'i Abrama hoe Isimaela.Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy. |
16 |
Ary efa enina amby valo-polo taona Abrama, raha Hagara niteraka an'Isimaela taminy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Genesisy 16:1 |
Genesisy 16:2 |
Genesisy 16:3 |
Genesisy 16:4 |
Genesisy 16:5 |
Genesisy 16:6 |
Genesisy 16:7 |
Genesisy 16:8 |
Genesisy 16:9 |
Genesisy 16:10 |
Genesisy 16:11 |
Genesisy 16:12 |
Genesisy 16:13 |
Genesisy 16:14 |
Genesisy 16:15 |
Genesisy 16:16 |
|
|
|
|
|
|
Genesisy 1 / Gen 1 |
Genesisy 2 / Gen 2 |
Genesisy 3 / Gen 3 |
Genesisy 4 / Gen 4 |
Genesisy 5 / Gen 5 |
Genesisy 6 / Gen 6 |
Genesisy 7 / Gen 7 |
Genesisy 8 / Gen 8 |
Genesisy 9 / Gen 9 |
Genesisy 10 / Gen 10 |
Genesisy 11 / Gen 11 |
Genesisy 12 / Gen 12 |
Genesisy 13 / Gen 13 |
Genesisy 14 / Gen 14 |
Genesisy 15 / Gen 15 |
Genesisy 16 / Gen 16 |
Genesisy 17 / Gen 17 |
Genesisy 18 / Gen 18 |
Genesisy 19 / Gen 19 |
Genesisy 20 / Gen 20 |
Genesisy 21 / Gen 21 |
Genesisy 22 / Gen 22 |
Genesisy 23 / Gen 23 |
Genesisy 24 / Gen 24 |
Genesisy 25 / Gen 25 |
Genesisy 26 / Gen 26 |
Genesisy 27 / Gen 27 |
Genesisy 28 / Gen 28 |
Genesisy 29 / Gen 29 |
Genesisy 30 / Gen 30 |
Genesisy 31 / Gen 31 |
Genesisy 32 / Gen 32 |
Genesisy 33 / Gen 33 |
Genesisy 34 / Gen 34 |
Genesisy 35 / Gen 35 |
Genesisy 36 / Gen 36 |
Genesisy 37 / Gen 37 |
Genesisy 38 / Gen 38 |
Genesisy 39 / Gen 39 |
Genesisy 40 / Gen 40 |
Genesisy 41 / Gen 41 |
Genesisy 42 / Gen 42 |
Genesisy 43 / Gen 43 |
Genesisy 44 / Gen 44 |
Genesisy 45 / Gen 45 |
Genesisy 46 / Gen 46 |
Genesisy 47 / Gen 47 |
Genesisy 48 / Gen 48 |
Genesisy 49 / Gen 49 |
Genesisy 50 / Gen 50 |