1 |
[Ny nanaovan'Andriamanitra fanekena tamin'i Abrama] Rehefa afaka izany, dia tonga tamin'i Abrama ny tenin'i Jehovah tamin'ny fahitana ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Abrama; Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao. |
2 |
Ary hoy Abrama: Jehovah Tompo ô, inona no homenao ahy? fa izaho mandroso fahanterana nefa tsy manan-janaka, ary ny ho tompon'ny ahy dia ilay Eliezera avy any Damaskosy. |
3 |
Ary hoy koa Abrama: Indro, izaho tsy nomenao fara handimby, ka, indro, ny anankiray amin'ny ato an-tranoko no handova ahy. |
4 |
Ary, indro, ny tenin'i Jehovah tonga taminy hoe: Tsy handova anao izany; fa izay haterakao, dia izy no handova anao. |
5 |
Dia nitondra azy nivoaka teo ivelan'ny lay Izy ka nanao hoe: Jereo ange ny lanitra, ka isao ny kintana, raha mahisa azy ianao. Dia hoy Izy taminy: Ho tahaka izany ny taranakao. |
6 |
Ary nino an'i Jehovah izy; ka dia nisainy ho fahamarinany izany. |
7 |
Ary hoy Izy taminy: Izaho no Jehovah Izay nitondra anao nivoaka avy tany Oran'ny Kaldeana, mba homeko anao ity tany ity ho lovanao. |
8 |
Ary hoy Izy: Jehovah Tompo ô, ahoana no hahafantarako fa handova ity aho? |
9 |
Ary hoy Izy taminy: Itondray ombivavy kely efa telo taona Aho sy osivavy efa telo taona sy ondrilahy efa telo taona ary domohina sy zana-boromailala. |
10 |
Dia nentiny teo aminy izany rehetra izany; ary nosasahiny ireny, ka nampifanandrifiny avy ny tapany; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. |
11 |
Ary nidina teo amin'ny fatin'ireo ny vorona mpihaza, fa nandroaka azy Abrama. |
12 |
Ary rehefa hilentika ny masoandro, dia sondrian-tory Abrama; ary, indro, aizina mahatsiravina indrindra no nahazo azy. |
13 |
Ary hoy Jehovah tamin'i Abrama: Aoka ho fantatrao marina fa ho vahiny any amin'ny tany izay tsy azy ny taranakao ary hanompo ny olona any; ary hampahoriny efa-jato taona izy. |
14 |
Ary izany firenena izany kosa, izay hotompoiny, dia hotsaraiko; ary rehefa afaka izany, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy. |
15 |
Nefa ianao kosa ho any amin'ny razanao amin'ny fiadanana; ho tratrantitra indrindra ianao vao hodi-mandry. |
16 |
Fa raha mby amin'ny zafiafy, dia hiverina atỳ izy; fa tsy mbola tanteraka ny heloky ny Amorita. |
17 |
Ary rehefa maty ny masoandro, ka maizina dia maizina ny andro, dia, indro, nisy fatana fandoroana mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra, izay nandeha namaky teo anelanelan'ireo zavatra voasasaka ireo. |
18 |
Tamin'izany andro izany Jehovah nanao fanekena tamin'i Abrama ka nanao hoe: Ny taranakao efa nomeko ity tany ity hatrany amin'ny onin'i Egypta ka hatrany amin'ny ony lehibe, dia ny ony Eofrata, |
19 |
dia ny Kenita sy ny Kenizita sy ny Kadmonita |
20 |
ary ny Hetita sy ny Perizita sy ny Refaitaary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita. |
21 |
ary ny Amorita sy ny Kananita sy ny Girgasita ary ny Jebosita.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Genesisy 15:1 |
Genesisy 15:2 |
Genesisy 15:3 |
Genesisy 15:4 |
Genesisy 15:5 |
Genesisy 15:6 |
Genesisy 15:7 |
Genesisy 15:8 |
Genesisy 15:9 |
Genesisy 15:10 |
Genesisy 15:11 |
Genesisy 15:12 |
Genesisy 15:13 |
Genesisy 15:14 |
Genesisy 15:15 |
Genesisy 15:16 |
Genesisy 15:17 |
Genesisy 15:18 |
Genesisy 15:19 |
Genesisy 15:20 |
Genesisy 15:21 |
|
|
|
|
|
|
Genesisy 1 / Gen 1 |
Genesisy 2 / Gen 2 |
Genesisy 3 / Gen 3 |
Genesisy 4 / Gen 4 |
Genesisy 5 / Gen 5 |
Genesisy 6 / Gen 6 |
Genesisy 7 / Gen 7 |
Genesisy 8 / Gen 8 |
Genesisy 9 / Gen 9 |
Genesisy 10 / Gen 10 |
Genesisy 11 / Gen 11 |
Genesisy 12 / Gen 12 |
Genesisy 13 / Gen 13 |
Genesisy 14 / Gen 14 |
Genesisy 15 / Gen 15 |
Genesisy 16 / Gen 16 |
Genesisy 17 / Gen 17 |
Genesisy 18 / Gen 18 |
Genesisy 19 / Gen 19 |
Genesisy 20 / Gen 20 |
Genesisy 21 / Gen 21 |
Genesisy 22 / Gen 22 |
Genesisy 23 / Gen 23 |
Genesisy 24 / Gen 24 |
Genesisy 25 / Gen 25 |
Genesisy 26 / Gen 26 |
Genesisy 27 / Gen 27 |
Genesisy 28 / Gen 28 |
Genesisy 29 / Gen 29 |
Genesisy 30 / Gen 30 |
Genesisy 31 / Gen 31 |
Genesisy 32 / Gen 32 |
Genesisy 33 / Gen 33 |
Genesisy 34 / Gen 34 |
Genesisy 35 / Gen 35 |
Genesisy 36 / Gen 36 |
Genesisy 37 / Gen 37 |
Genesisy 38 / Gen 38 |
Genesisy 39 / Gen 39 |
Genesisy 40 / Gen 40 |
Genesisy 41 / Gen 41 |
Genesisy 42 / Gen 42 |
Genesisy 43 / Gen 43 |
Genesisy 44 / Gen 44 |
Genesisy 45 / Gen 45 |
Genesisy 46 / Gen 46 |
Genesisy 47 / Gen 47 |
Genesisy 48 / Gen 48 |
Genesisy 49 / Gen 49 |
Genesisy 50 / Gen 50 |