1 |
[Ny nisarahan'i Abrama sy Lota, ary ny teny fikasana nataon'Andriamanitra tamin'i Abrama] Ary Abrama dia niakatra niala tany Egypta, dia izy sy ny vadiny mbamin'ny fananany rehetra, ary Lota koa niaraka taminy, ho any amin'ny tany atsimo. |
2 |
Ary Abrama nanana harena be, dia omby aman'ondry sy volafotsy ary volamena. |
3 |
Ary mbola nandeha ihany izy ka nifindrafindra hatrany amin'ny tany atsimo ka hatrany Betela, izay niorenan'ny lainy tamin'ny voalohany, teo anelanelan'i Betela sy Ay, |
4 |
dia teo amin'ny tany izay nisy ilay alitara nataony tamin'ny voalohany; ary dia niantso ny anaran'i Jehovah teo Abrama. |
5 |
Ary Lota koa, izay niara-nandeha tamin'i Abrama, dia mba nanana ondry sy omby sy lay. |
6 |
Ary tsy omby azy roa lahy ny tany hiraisany monina; fa efa be ny fananany, ka tsy nahazo niray monina izy. |
7 |
Dia niady ny mpiandry ombin'i Abrama sy ny mpiandry ombin'i Lota; ary ny Kananita sy ny Perizita no tompon-tany tao Kanana fahizay. |
8 |
Ary hoy Abrama tamin'i Lota: Aoka re mba tsy hisy ady amintsika roa lahy, na amin'ny mpiandry ombiko sy ny mpiandry ombinao, fa mpirahalahy isika. |
9 |
Moa tsy eo anoloanao va ny tany rehetra? Masìna ianao, aoka hisaraka amiko ianao; raha hianavaratra ianao. dia hianatsimo aho; fa raha hianatsimo ianao, dia hianavaratra kosa aho. |
10 |
Ary Lota nanopy ny masony ka nitazana ny tany rehetra teny amoron'i Jordana hatrany akaikin'i Zoara, fa azon-drano avokoa izy rehetra (talohan'ny nandravan'i Jehovah an'i Sodoma sy Gomora izany), tahaka ny sahan'i Jehovah sy tahaka ny tany Egypta. |
11 |
Dia nofidin'i Lota ho azy ny tany rehetra amoron'i Jordana, ka nifindra niantsinanana izy; ka dia nisaraka izy roa lahy. |
12 |
Ary Abrama nonina tao amin'ny tany Kanana. fa Lota kosa nonina tao an-tanàna amin'ny tany amoron'i Jordana ka nifindrafindra toby hatrany Sodoma. |
13 |
Ary ny mponina tao Sodoma dia tena ratsy fanahy sady mpanota indrindra tamin'i Jehovah. |
14 |
Ary Jehovah niteny tamin'i Abrama taorian'ny nisarahan'i Lota taminy ka nanao hoe: Atopazy ny masonao, ka hatramin'ity tany itoeranao ity dia mitazana mianavaratra sy mianatsimo ary miantsinanana sy miankandrefana; |
15 |
fa ny tany rehetra izay tazanao dia homeko anao sy ny taranakao mandrakizay. |
16 |
Ary hataoko maro tahaka ny vovo-tany ny taranakao; koa raha misy olona mahisa ny vovo-tany, dia ho azo isaina koa ny taranakao. |
17 |
Miaingà ianao, mandehana mitety ny tany, dia any amin'ny lavany sy any amin'ny sakany; fa homeko anao izy.Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy. |
18 |
Ary Abrama nifindrafindra toby. dia nandeha ka nonina teo an-kazo terebintan'i Mamre, izay any Hebrona, ary nanorina alitara teo ho an'i Jehovah izy.
|
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |
|
|
|
|
|
|
|
|
|
|
Genesisy 13:1 |
Genesisy 13:2 |
Genesisy 13:3 |
Genesisy 13:4 |
Genesisy 13:5 |
Genesisy 13:6 |
Genesisy 13:7 |
Genesisy 13:8 |
Genesisy 13:9 |
Genesisy 13:10 |
Genesisy 13:11 |
Genesisy 13:12 |
Genesisy 13:13 |
Genesisy 13:14 |
Genesisy 13:15 |
Genesisy 13:16 |
Genesisy 13:17 |
Genesisy 13:18 |
|
|
|
|
|
|
Genesisy 1 / Gen 1 |
Genesisy 2 / Gen 2 |
Genesisy 3 / Gen 3 |
Genesisy 4 / Gen 4 |
Genesisy 5 / Gen 5 |
Genesisy 6 / Gen 6 |
Genesisy 7 / Gen 7 |
Genesisy 8 / Gen 8 |
Genesisy 9 / Gen 9 |
Genesisy 10 / Gen 10 |
Genesisy 11 / Gen 11 |
Genesisy 12 / Gen 12 |
Genesisy 13 / Gen 13 |
Genesisy 14 / Gen 14 |
Genesisy 15 / Gen 15 |
Genesisy 16 / Gen 16 |
Genesisy 17 / Gen 17 |
Genesisy 18 / Gen 18 |
Genesisy 19 / Gen 19 |
Genesisy 20 / Gen 20 |
Genesisy 21 / Gen 21 |
Genesisy 22 / Gen 22 |
Genesisy 23 / Gen 23 |
Genesisy 24 / Gen 24 |
Genesisy 25 / Gen 25 |
Genesisy 26 / Gen 26 |
Genesisy 27 / Gen 27 |
Genesisy 28 / Gen 28 |
Genesisy 29 / Gen 29 |
Genesisy 30 / Gen 30 |
Genesisy 31 / Gen 31 |
Genesisy 32 / Gen 32 |
Genesisy 33 / Gen 33 |
Genesisy 34 / Gen 34 |
Genesisy 35 / Gen 35 |
Genesisy 36 / Gen 36 |
Genesisy 37 / Gen 37 |
Genesisy 38 / Gen 38 |
Genesisy 39 / Gen 39 |
Genesisy 40 / Gen 40 |
Genesisy 41 / Gen 41 |
Genesisy 42 / Gen 42 |
Genesisy 43 / Gen 43 |
Genesisy 44 / Gen 44 |
Genesisy 45 / Gen 45 |
Genesisy 46 / Gen 46 |
Genesisy 47 / Gen 47 |
Genesisy 48 / Gen 48 |
Genesisy 49 / Gen 49 |
Genesisy 50 / Gen 50 |