Genesisy 43:1-34 |
1. [Ny nandehanan'ny zanak'i Jakoba fanindroany, sy ny nizahan'i Josefa toetra azy] Ary mafy ny mosary teo amin'ny tany. |
2. AryY rehefa laniny ny vary izay efa nalainy tany Egypta, dia hoy ny rainy taminy: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. |
3. Ary Joda niteny taminy ka nanao hoe: Efa nilaza mafy taminay ralehilahy ka nanao hoe: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. |
4. Raha hampandehaninao hiaraka aminay ny rahalahinay, dia hidina izahay ka hividy hanina ho anao; |
5. fa raha tsy hampandehaninao izy, dia tsy hidina izahay; fa hoy ralehilahy taminay: Tsy hahita ny tavako ianareo, raha tsy hiaraka aminareo ilay rahalahinareo. |
6. Ary hoy Isiraely: Nahoana no dia nampidi-doza tamiko ianareo ka nanambara tamin-dralehilahy fa mbola nanan-drahalahy koa ianareo? |
7. Ary hoy izy ireo: Nanadina dia nanadina ny amin'ny tenanay sy ny mpianakavinay ralehilahy ka nanao hoe: Mbola velona ihany va izay rainareo? ary manan-drahalahy hafa koa va ianareo? Dia nambaranay taminy araka izany teny izany; moa nampoizinay akory va izay hanaovany hoe: Ento midina ny rahalahinareo? |
8. Ary hoy Joda tamin'Isiraely rainy: Ampandehano hiaraka amiko ny zaza, dia hiainga izahay ka handeha, mba ho velona isika ka tsy ho faty, dia izahay sy ianao ary ny zanatsika madinika koa. |
9. Izaho no hiantoka azy; amin'ny tanako no handraisanao azy; raha tsy ho entiko atỳ aminao ka hatolotro eto anatrehanao izy, dia ho meloka aminao amin'ny andro rehetra hiainako aho; |
10. fa raha tsy nijanonjanona izahay, dia efa tafaverina fanindroany toy izay. |
11. Ary hoy Isiraely rainy taminy: Raha izany ary no izy, dia izao no ataovy: analao ny vokatra malaza amin'ny tany ka ataovy ao anatin'ny fitondran-entanareo, dia ento midina haterina ho an-dralehilahy, dia balsama kely sy tantely kely, ditin-kazo nekota sy lota sy pistakia ary amygdala; |
12. ary mitondra vola toraka ny teo eny an-tananareo; ary ilay vola izay naverina teo am-bavan'ny lasakanareo dia ento miverina indray; angamba fahadisoana izany. |
13. Ary ny rahalahinareo ento ihany; dia miainga ka miverena indray ho any amin-dralehilahy; |
14. ary Andriamanitra Tsitoha anie hampahita famindram-po anareo eo anatrehan-dralehilahy, mba hampodiny ny rahalahinareo anankiray sy Benjamina. Ary izaho, raha foanana anaka aho, dia foana anaka ihany. |
15. Dia nentin'ireo lehilahy ireo ny zavatra hateriny, ary vola indroa toraka ny teo koa no nentiny teny an-tànany mbamin'i Benjamina; ary niainga izy, dia nidina tany Egypta ka tonga teo anatrehan'i Josefa. |
16. Ary Josefa, raha nahita an'i Benjamina niaraka taminy, dia nanao tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony hoe: Ampidiro atsy an-trano ireo lehilahy ireo, dia amonoy zavatra izy ka anaovy nahandro; fa hiara-mihinana amiko izy raha mitataovovonana ny andro. |
17. Dia nataon-dralehilahy araka izay nandidian'i Josefa; ka nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo. |
18. Dia raiki-tahotra ireo lehilahy ireo, satria nampidirina tao an-tranon'i Josefa, ka hoy izy: Maintsy ilay vola naverina tao anatin'ny lasakantsika fahiny va no nampidirana antsika, hivarinany amintsika sy hianjerany amintsika! dia halainy ho andevo isika, ary halainy koa ny borikintsika. |
19. Dia nanatona an-dralehilahy, mpikarakara ny tao an-tranon'i Josefa, izy ka niteny taminy teo am-baravaran'ny trano nanao hoe: |
20. Mba henoy kely izahay, tompokolahy: nidina hividy hanina tokoa izahay fahiny: |
21. ary rehefa tonga teo amin'izay nandrianay izahay, dia nosokafanay ny lasakanay, ka indreo ny volanay isan-dahy teo am-bavan'ny lasakanay avy, tonga lanja avokoa ny volanay; ary efa nentinay niverina eto an-tananay izany. |
22. Ary nitondra vola hafa koa eto an-tananay izahay hamidy hanina: tsy fantatray izay nanao ny volanay tao anatin'ny lasakanay. |
23. Ary hoy izy: Matokia ianareo, fa aza matahotra; Andriamanitrareo, dia Andriamanitry ny rainareo, no nanome anareo harena tao anatin'ny lasakanareo; ny volanareo dia efa tonga tatỳ amiko ihany. Dia namoaka an'i Simeona ho eo aminy izy. |
24. Ary nampidirin-dralehilahy tao an-tranon'i Josefa ireo olona ireo ka nomeny rano, dia nanasa tongotra izy, ary ny borikiny nomeny hanina koa. |
25. Dia nandamina ny zavatra hateriny izy mandra-pihavin'i Josefa rehefa mitataovovonana ny andro; fa efa reny fa eo no hihinanany hanina. |
26. Ary rehefa tonga tao an-trano Josefa, dia nampidirin'izy mirahalahy avy ho ao an-trano mba hatolotra azy ireo zavatra efa nentiny, dia niankohoka tamin'ny tany teo anatrehany izy. |
27. Ary Josefa nanontany ny toeny ka nanao hoe: Tsara ihany va ny rainareo, ilay lahy antitra nolazainareo? mbola velona ihany va izy? |
28. Dia hoy izy: Tsara ihany ny mpanomponao rainay; mbola velona ihany izy. Dia niondrika izy ireo ka niankohoka. |
29. Ary Josefa nanopy ny masony ka nahita an'i Benjamina rahalahiny, zanakalahin'ny reniny, dia hoy izy: Io va no zandrinareo faralahy, izay nolazainareo tamiko? Sady hoy koa izy: Andriamanitra anie hanisy soa anao, anaka |
30. Dia niala faingana Josefa, fa nangorakoraka ny fony noho ny rahalahiny, ka nitady izay hitomaniany izy; dia niditra tao an-efi-trano izy ka nitomany tao. |
31. Ary rehefa nanasa ny tavany izy, dia nivoaka; ary nanindry ny fangorakoraky ny fony izy ka nanao hoe: Ento ny nahandro. |
32. Dia narosony mitokana ny ho an'i Josefa, ary mitokana ny ho an'ny rahalahiny, ary mitokana koa ny ho an'ny Egyptiana izay nihinana teo aminy, satria ny Egyptiana tsy mahazo miara-komana amin'ny Hebreo, fa fahavetavetana amin'ny Egyptiana izany. |
33. Dia nipetraka teo anatrehany izy, ny lahimatoa araka ny fizokiany, ary ny faralahy araka ny fizandriany; dia samy talanjona ka nifampijerijery izy.Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy. |
34. Ary samy nitondrana anjara-hanina avy teo anoloan'i Josefa izy mirahalahy avy; kanefa ny anjara-hanin'i Benjamina dia indimy toraka ny anjaran-drery tamin'izy rehetra. Dia niara-nisotro sy nivoky divay teo aminy izy. |
Genesisy 44:1-34 |
1. [Ny nampahafantaran'i Josefa ny rahalahiny fa izy no Josefa, sy ny nanirahany haka ny rainy] Ary Josefa nanome teny ny mpikarakara ny tao an-tranony ka nanao hoe: Fenoy hanina ny lasakan'ireo lehilahy ireo, araka izay zakany ho entina, ary ataovy eo am-bavan'ny lasakany avy ny volan'ny isan-dahy; |
2. ary ny kapoakako, dia ilay kapoaka volafotsy, ataovy eo am-bavan'ny lasakan'ilay faralahy mbamin'ny vola hamidiny vary. Dia nataony araka ny teny izay nolazain'i Josefa. |
3. Ary raha vao nazava ny andro, dia nampandehanina ireo lehilahy ireo, dia izy sy ny borikiny. |
4. Ary rehefa tafavoaka ny tanàna izy ka tsy mbola lasan-davitra, dia hoy Josefa tamin'ny mpikarakara ny tao an-tranony: Andeha araho ireny lehilahy ireny; ary rehefa tratrao izy, dia ataovy aminy hoe: Nahoana ianareo namaly ratsy ny soa? |
5. Tsy iny va no fisotroan'ny tompoko sy famantarany zavatra? ratsy izao nataonareo izao. |
6. Dia nahatratra azy ralehilahy ka nilaza izany teny izany taminy. |
7. Ary hoy izy ireo taminy: Nahoana itompokolahy no dia miteny toy izany? Sanatria amin'ny mpanomponao ny hanao zavatra toy izany. |
8. Indro fa ny vola izay hitanay teo am-bavan'ny lasakanay aza naverinay indray tatỳ aminao avy tany amin'ny tany Kanana; ka hataonay ahoana no fangalatra volafotsy na volamena ao amin'ny tranon'ny tomponao? |
9. Izay anankiray amin'ny mpanomponao hahitana izany, dia aoka hovonoina izy, ary izahay kosa dia ho andevon'itompokolahy. |
10. Dia hoy izy: Aoka ary hatao araka ny teninareo: izay hahitana izany dia ho andevoko; fa ianareo tsy hanan-tsiny. |
11. Ary samy nampidina faingana ny lasakany tamin'ny tany izy, ka samy nanokatra ny lasakany avy. |
12. Dia nikaroka fatratra ralehilahy, ka tamin'ny lahimatoa no nanombohany, ary tamin'ny faralahy no niafarany, ka tao amin'ny lasakan'i Benjamina no nahitana ilay kapoaka. |
13. Ary samy nandriatra ny fitafiany izy, dia nanaingina ny entany tamin'ny borikiny avy ka niverina ho any an-tanàna. |
14. Ary Joda sy ny rahalahiny niditra tao an-tranon'i Josefa (fa mbola tao izy), dia nidaboka tamin'ny tany teo anatrehany. |
15. Ary hoy Josefa taminy: Ahoana izao zavatra nataonareo izao? tsy fantatrareo va fa izay lehilahy tahaka ahy dia mahay mamantatra zavatra tokoa? |
16. Ary hoy Joda: Inona no teny hataonay amin'itompokolahy? inona intsony no holazainay? ary hataonay ahoana no fiala tsiny? Andriamanitra efa nahita ny heloky ny mpanomponao; koa, indreto, samy ho andevon'itompokolahy, na izahay, na ilay nahitana ny kapoaka tao aminy. |
17. Nefa hoy Josefa: Sanatria ahy ny hanao izany! izay lehilahy nahitana ny kapoaka tao aminy ihany no ho andevoko; fa ianareo kosa dia miakara soa aman-tsara ho any amin'ny rainareo. |
18. Dia nanatona azy Joda ka nanao hoe: Mba henoy kely aho, tompokolahy, aoka ny mpanomponao handaha-teny kely eto anatrehan'itompokolahy, ary aoka tsy mba hirehitra amin'ny mpanomponao ny fahatezeranao; fa tahaka an'i Farao ianao. |
19. Itompokolahy nanontany ny mpanompony hoe : Manan-dray na rahalahy koa va ianareo? |
20. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Manan-dray lahy antitra izahay sy zandry faralahy, zanaky ny fahanterany; ary maty ny rahalahiny, fa izy irery ihany no zana-dreniny sisa, ary tian'ny rainy izy. |
21. Ary ianao nanao tamin'ny mpanomponao hoe: Ento mankaty amiko izy mba ho hitan'ny masoko. |
22. Ary hoy izahay tamin'itompokolahy: Ny zazalahy tsy mahazo misaraka amin-drainy; fa raha misaraka amin-drainy izy, dia ho faty rainy. |
23. Ary hoy ianao tamin'ny mpanomponao: Raha tsy hiara-midina aminareo ny zandrinareo faralahy, dia tsy hahita ny tavako intsony ianareo. |
24. Ary rehefa tafakatra tany amin'ny mpanomponao raiko izahay, dia nambaranay azy ny tenin'itompokolahy. |
25. Dia hoy ny rainay: Mandehana indray, mividia hanina kely ho antsika. |
26. Ary hoy izahay: Tsy sahy hidina izahay; nefa raha hiaraka aminay ny zandrinay faralahy, dia hidina ihany izahay; fa tsy mahazo mahita ny tavan-dralehilahy izahay raha tsy miaraka aminay ny zandrinay faralahy. |
27. Dia hoy ny mpanomponao raiko taminay: Fantatrareo fa ny vadiko efa niteraka roa lahy tamiko; |
28. fa lasa niala tamiko ny anankiray, ka hoy izaho: Voaviraviram-biby tokoa izy; ary tsy mbola hitako mandraka ankehitriny izy; |
29. ary raha halainareo hiala eto anoloako koa ity, ka hisy loza hanjo azy koa, dia hampidininareo any amin'ny fiainan-tsi-hita amim-pahoriana ny volo fotsiko. |
30. Koa ankehitriny, raha tonga any amin'ny mpanomponao raiko aho, ka tsy tafaraka aminay ny zaza (fa ny ainy mifamatotra amin'ny ain'ny zaza), |
31. koa raha hitany fa tsy eo ny zaza, dia ho faty izy; ary ny mpanomponao hampidina ny volo fotsin'ny mpanomponao rainay ho any amin'ny fiainan-tsi-hita amin'alahelo. |
32. Fa ny mpanomponao efa niantoka ny zaza tamin'ny raiko ka nanao hoe: Raha tsy ho entiko atỳ aminao izy, dia ho meloka amin'ny raiko amin'ny andro rehetra hiainako aho. |
33. Koa ankehitriny, trarantitra ianao, aoka ny mpanomponao hitoetra ho andevon'itompokolahy hisolo ny zaza; fa aoka ny zaza hiara-miakatra amin'ny rahalahiny.Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho. |
34. Fa hataoko ahoana no fiakatra any amin'ny raiko, raha tsy hiaraka amiko ny zaza? fandrao hahita izay loza hanjo ny raiko aho. |
Salamo 11:1-7 |
1. [Ny avalin'ny mahery finoana izay sakaizany saro-tahotra] Ho an'ny mpiventy hira. Nataon'i Davida. Jehovah no ialofako; ahoana no anaovanareo amin'ny fanahiko hoe: mandosira ho any an-tendrombohitrareo toy ny voron-kely? [Na: ry voronkely] |
2. Fa, indro, ny ratsy fanahy manenjana ny tsipìkany; efa nanamboatra ny zana-tsipìkany eo amin'ny kofehy izy, nikendry tao amin'ny maizina hitifitra ny mahitsy fo. |
3. Fa rava ny fanorenana, ka inona indray no azon'ny marina atao?[Na: voazera ny andry] |
4. Jehovah dia ao amin'ny tempoliny masina, ny seza fiandrianan'i Jehovah dia any an-danitra; ny masony mijery, eny, ny hodi-masony mizaha toetra ny zanak'olombelona. |
5. Jehovah mizaha toetra ny marina; fa ny ratsy fanahy sy ny mifaly hampidi-doza dia samy halan'ny fanahiny. |
6. Handatsaka fandrika amin'ny ratsy fanahy Izy tahaka ny fandatsaka ranonorana; afo sy solifara ary rivo-mahamay no ho anjara kapoakany.Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany] |
7. Fa marina Jehovah, ka fahamarinana no tiany; ny mahitsy no hahita ny tavany.[Na: Ny mahitsy no hitan'ny tavany] |
Ohabolana 4:10-13 |
10. Anaka, mihainoa, ka raiso ny teniko; Dia hihamaro ny taona hiainanao. |
11. Làlam-pahendrena no atoroko anao: Eny, mitarika anao amin'ny lalana mahitsy aho. |
12. Raha mandeha ianao, dia tsy ho etỳ ny lalanao; Ary raha mihazakazaka ianao, dia tsy ho tafintohina. |
13. Tano mafy ny fananarana, ka aza avela hiala; Hazony izy, fa ainao. |
Matio 14:22-36 |
22. Ary niaraka tamin'izay dia nanery ny mpianatra hiondrana an-tsambokely Jesosy ka hita eo alohany ho eny am-pita mandra-pandràvany ny vahoaka. |
23. Ary rehefa noravany ny vahoaka, dia niakatra tao an-tendrombohitra Izy mba hitokana hivavaka; ary nony hariva ny andro, dia nitoetra irery teo Izy. |
24. Ary efa mby teo ampovoan'ny ranomasina ny sambokely tamin'izay, dia natopatopan'ny alon-drano izy, fa notohain'ny rivotra. |
25. Ary tamin'ny fiambenana fahefatra amin'ny alina dia nankeny amin'ny mpianany Jesosy, nitsangantsangana teny ambonin'ny ranomasina. |
26. Ary nony nahita Azy nitsangantsangana tambonin'ny ranomasina ny mpianatra, dia raiki-tahotra ka nanao hoe: Matoatoa io; dia niantso izy noho ny tahotra. |
27. Ary Jesosy niteny taminy niaraka tamin'izay hoe: Matokia, fa Izaho ihany, aza matahotra. |
28. Ary Petera namaly Azy ka nanao hoe: Tompoko, raha Hianao ihany, dia asaovy manatona Anao eny ambonin'ny rano aho. |
29. Ary hoy Izy: Manatona. Dia nidina niala tamin'ny sambokely Petera ka nandeha tambonin'ny rano hanatona an'i Jesosy. |
30. Fa raha nahita ny rivotra izy, dia natahotra, ary raha vao nilentika izy, dia niantso hoe: Tompo ô, vonjeo aho![ Na: (rivotra mahery)] |
31. Ary naninjitra ny tànany niaraka tamin'izay Jesosy, dia nandray azy ka nanao taminy hoe: Ry kely finoana, nahoana no niahanahana ianao? |
32. Ary rehefa niakatra teo an-tsambokely izy, dia nitsahatra ny rivotra. |
33. Ary izay teo an-tsambokely dia niankohoka teo anatrehany ka nanao hoe: Zanak'Andriamanitra tokoa Hianao. |
34. Ary nony tafita izy, dia tonga teo an-tanety, any Genesareta. |
35. Ary nony nahafantatra Azy ny tompon-tany teo, dia naniraka tany amin'ny tany rehetra manodidina izy ka nitondra ny marary rehetra ho eo aminy.Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa. |
36. Ary nangataka taminy ireo mba hamela azy hanendry na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; koa na iza na iza no nanendry dia sitrana tokoa. |