Baiboly Selection
|
|
Antitra Testamenta
|
|
Nouvelle Testamenta
|
|
|
|
Malagasy Bible 1865
|
|
|
|
1 |
[] Ary nony vao nihilana kely avy teo an-tampon'ny tendrombohitra Davida, indro, Ziba, mpanompon'i Mefiboseta, nitsena azy mitondra boriky roa voaisy lasely sady ampitondraina mofo roan-jato sy voaloboka maina zato sampaho sy voankazo masaka fahavaratra zato ary divay iray tavoara.[Na: siny hoditra] |
2 |
Ary hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Ahoana no hevitrao amin'ireto? Dia hoy Ziba: Ny boriky dia ho an'ny ankohonan'ny mpanjaka itaingenany; ary ny mofo sy ny voankazo masaka fahavaratra hohanin'ny zatovo; ary ny divay hosotroin'izay reraka any an-efitra. |
3 |
Dia hoy ny mpanjaka: Aiza ny zanakalahin'ny tomponao? Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro, mitoetra any Jerosalema izy; fa hoy izy: Anio no hampodian'ny taranak'Isiraely ny fanjakan'ikaky ho ahy. |
4 |
Dia hoy ny mpanjaka tamin'i Ziba: Indro, anao izay rehetra an'i Mefiboseta. Ary hoy Ziba: Trarantitra anie ianao, aoka hahazo fitia eto imasonao aho, ry mpanjaka tompoko. |
5 |
Ary nony nanakaiky an'i Bahorima Davida mpanjaka, indro, nisy lehilahy, tamingan'i Saoly ny anarany dia Simey, zanak'i Gera nivoaka avy tao izy ka nanozona teny ampandehanana. |
6 |
Ary nitora-bato an'i Davida mpanjaka sy ny mpanompony rehetra izy; ary ny vahoaka rehetra sy ny lehilahy mahery rehetra dia teo amin'ny ankavanan'ny mpanjaka sy teo amin'ny ankaviany. |
7 |
Ary hoy ny fanozon'i Simey: Mandehana, mandehana, ry lehilahy mpandatsa-drà sy tena ratsy fanahy! |
8 |
Nataon'i Jehovah manody anao izao ny ran'ny tamingan'i Saoly, ilay nodimbiasanao fanjakana; ary Jehovah nanome ny fanjakana ho eo an-tànan'i Absaloma zanakao kosa; ary indro, efa idiran-doza izao ianao, satria mpandatsa-drà. |
9 |
Ary hoy Abisay, zanak'i Zeroia, tamin'ny mpanjaka: Nahoana no avela hanozona ny mpanjaka tompoko io alika maty io? Trarantitra ianao, aoka aho handeha ka hanapaka ny lohany. |
10 |
Fa hoy ny mpanjaka: Moa mifaninona akory izaho sy ianareo, ry zanak'i Zeroia? Raha manozona izy, sady Jehovah no nanao taminy hoe: Ozony Davida, dia iza indray no hanao hoe: Nahoana ianao no manao izany? |
11 |
Ary hoy koa Davida tamin'i Abisay sy tamin'ny mpanompony rehetra: Indro, ny zanako naterako aza mitady ny aiko, ka mainka io Benjamita io! Avelao ihany izy hanozona, fa Jehovah no nampanao azy izany. |
12 |
Angamba Jehovah hamindra fo amiko ny amin'ny heloko ary hamaly soa ahy noho izao ozona nanjo ahy androany izao.[Na: hijery ny fahoriako (na, ny ranomasoko?)] |
13 |
Ary nony nandeha teny an-dalana Davida sy ny olony, dia nandeha tamin'ny ilan'ny havoana tandrifiny kosa Simey ka nanozona teny ampandehanana sady nitora-bato nanandrify azy sy namafy vovoka. |
14 |
Ary dia tonga tao ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy sady efa reraka, ka dia naka aina teo izy.[Na: Ary tonga tao Aiefima ny mpanjaka sy ny vahoaka rehetra izay nanaraka azy] |
15 |
[Ny nataon'i Absaloma tany Jerosalema, sy ny hevitra nomen'i Ahitofela azy, ary ny nanafoanan'i Hosay izany] Ary Absaloma sy ny vahoaka rehetra tamin'ny Isiraely dia tonga tany Jerosalema, ary Ahitofela koa dia teo aminy. |
16 |
Ary Hosay Arkita, sakaizan'i Davida, dia tonga tao amin'i Absaloma ka nanao taminy hoe: Ho ela velona anie ny mpanjaka! ho ela velona anie ny mpanjaka! |
17 |
Fa hoy Absaloma tamin'i Hosay: izao va no fitianao ny sakaizanao? Nahoana ianao no tsy mba nandeha niaraka tamin'ny sakaizanao? |
18 |
Ary hoy Hosay tamin'i Absaloma: Tsia, fa izay nofidin'i Jehovah sa ireto vahoaka ireto mbamin'ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia izy no hombako, sady ao aminy no hitoerako. |
19 |
Ary koa, iza indray no hotompoiko? Tsy eo anatrehan'ny zanany va? Tahaka ny nanompoako teo anatrehan'ny rainao no hanompoako eto anatrehanao koa. |
20 |
Ary hoy Absaloma tamin'i Ahitofela: Heveronareo tsara izay hataontsika. |
21 |
Dia hoy Ahitofela tamin'i Absaloma: Midira ao amin'ny vaditsindranon-drainao, izay nampiandrasiny trano; dia ho ren'ny Isiraely rehetra fa efa nanamaimbo tena eo anatrehan-drainao ianao, ka dia hahery ny tànan'izay rehetra momba anao. |
22 |
Ary dia nanorin-day ho an'i Absaloma teo an-tampon-trano ny olona; ary Absaloma niditra tao amin'ny vaditsindranon-drainy teo imason'ny Isiraely rehetra.Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma. |
23 |
Ary ny hevitr'i Ahitofela izay nataony tamin'izany dia hoatra ny manontany amin'Andriamanitra; toy izany avokoa ny hevitra rehetra nataon'i Ahitofela, na tamin'i Davida, na tamin'i Absaloma. |
Malagasy Bible 1865 |
Public Domain: 1865 |